Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 53 — Ireo Tombontsoa azon’ny Mpianatra Hararaotina

    Ry mpianatra, miaraha miasa amin’ny mpampianatra anareo. Hanome fanantenana sy risi-po ho azy ireo ianao raha manao izany. Manampy azy ireo ianao no sady manampy ny tenanao ihany koa mba handroso. Tsarovy fa miankina betsaka aminao ny hahafahan’ny mpampianatra manampy anao, sy ny hampahomby ny asany. Amin’ny heviny ambony indrindra dia ianao no mpianatra, izay mahita an’Andriamanitra ao ambadiky ny mpampianatra, ary ny mpampianatra miara-miasa Aminy.HAT 157.2

    Mandalo faingana ny tombontsoa azonao hararaotina. Tsy manana fotoana holanina amin’ny fanomezana fahafinaretana ny tena ianao. Rehefa miezaka amin-kafanam-po ny hahomby ihany ianao vao hahazo ny tena fahasambarana. Sarobidy ireo tombontsoa fanararaotra omena anao mandritra ny fotoana laninao any an-tsekoly. Ataovy ho tanteraka araka izay azo atao ny fiainanao amin’ny maha-mpianatra anao. Indray mandeha ihany no andalovanao amin’izany lalana izany. Ary mijanona miaraka aminao izany na ho fahombiazana ny asanao na tsy ho fahombiazana. Raha toa ka mahomby amin’ny fahazoana ny fahalalana ara-Baiboly ianao dia manangona haren-tsarobidy izay hozaraina.HAT 157.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents