Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 55 — Faniriana Lalina ny Hanatsara

    Raha ny tsirairay no mahatsapa fa mbola hampamoahin’ Andriamanitra izy ny amin’ny hery miasa mangina avy amin’ny tenany manokana dia tsy halaina mihitsy izy ireo, fa hikolokolo ny fahaiza-manao ananany sy hanofana ny heriny rehetra mba hahafahany manompo Azy, izay nividy azy tamin’ny ran’ny Tenany.HAT 162.2

    Ny tanora manokana dia tokony hahatsapa fa tsy maintsy manofana ny sainy, ary handray ireo tombontsoa fanararaotra rehetra mba ho tonga marani-tsaina, mba hahatonga azy ireo ho azo ekena eo amin’ny asa fanompoana Azy izay nanome ny ainy sarobidy ho azy ireo izy ireo. Ary aoka tsy hisy na dia iray aza hanao fahadisoana hihevitra ny tenany ho nahita fanabeazana tsara ka tsy mila intsony ny fianarana ny boky na ny natiora. Aoka ny rehetra hanararaotra ny tombontsoa rehetra omen’ny fitondran’Andriamanitra azy, mba hahazoana izay rehetra mety ho azony ao amin’ny fanambarana na ny siansa.HAT 162.3

    Tokony hianatra ny hametraka amin’ny toerana sahaza azy ireo hery izay nomen’Andriamanitra antsika isika. Raha ilain’ny tanora ny manomboka amin’ny zana-tohatra farany ambany indrindra dia tsy tokony ho kivy izy, fa hanana finiavana ny hiakatra amin’ny zana-tohatra tsirairay mandra-pandrenesany ny feon’i Kristy manao hoe: Anaka, miakara ambonimbony kokoa. «Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin’ny kely hianao dia hotendreko ho mpanapaka ny be: Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao.” - FCE, t.213.HAT 163.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents