Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ampianarin’ Andriamanitra

    Tsy ho lasa malemy saina na tsy hahavita ny tokony hataony ny tanora amin’ny fanokanana ny tenan’izy ireo ho amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra. Ho an’ny maro, midika ho fahalalana ny boky ny fanabeazana; kanefa «Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” Ny ankizy kely indrindra izay da sy matahotra an’Andriamanitra no lehibe kokoa eo imasony noho ny olona manan-talenta sy manam-pahaizana indrindra izay manao tsirambina ny mikasika ny famonjena ny tenany manokana. Ny tanora izay manokana ny fony sy ny fiainany ho an’Andriamanitra dia mametraka ny tenany hifandray amin’ilay Loharanon’ny fahendrena sy fahatsarana rehetra.HAT 164.3

    Raha tsy maniry afa-tsy ny hianatra amin’ilay Mpampianatra avy any an-danitra, tahaka ny nataon’i Daniela, ny tanora dia hahafantatra ho an’ny tenany fa ny fahatahorana an’Andriamanitra tokoa no fiandohan’ny fahendrena. Rehefa nametraka ny fototra azo antoka toy izany, tahaka an’i Daniela dia ho azon’izy ireo atao ny hamadika ireo tombontsoa sy ireo fotoana azo hararaotina ho amin’ny tsara indrindra, ary hanandratra azy ireo amin’izay mety ho haavo ny fahalalana ara-tsaina. Natokana ho an’Andriamanitra, ary manana ny fiarovan’ny fahasoavany sy ny hery miasa mangina mamelombelona avy amin’ny Fanahiny Masina, no hanehoan’izy ireo ny herin’ny fahazavan-tsaina lalindalina kokoa noho ny an’izao tontolo izao.HAT 165.1

    Fahazoana fanabeazana diso ny fianarana ny siansa amin’ny alalan’ny fanazavan-kevitra izay napetraky ny olona amin’izany. Ny fianarana amin’Andriamanitra, sy Jesôsy Kristy izay nirahiny no fianarana ny siansan’ny Baiboly. Hahita an’Andriamanitra eo amin’ny fitondrany sy ny dingana rehetra amin’ny fanabeazana ny madio am-po. Ho tsapan’izy ireo ny voalohany amin’ny fahatongavan’ny fahazavana izay mitaratra avy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Natao ho an’izay mandray ny tara-pahazavana voalohany amin’ny fahalalana ara-panahy ny fifandraisana amin’ny lanitra.HAT 165.2

    Ireo mpianatra ao amin’ny sekolintsika dia natao hihevitra ny fahalalana an’Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra. Amin’ny alalan’ny fandinihana ny Soratra Masina irery ihany no ahafahana mahazo izany fahalalana izany. «Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ny hendry. Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (...) Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona ary ry fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona (...) Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika; araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no reharehany” 1 Kôr. 1:18,19,25,30,31. - YI, 24 Nôv. 1903.HAT 166.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents