Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 37 - Manomana Ny Lalana Andriamanitra

    Raha naseho tamin’ny fomba mazava teo anatrehan’ireo olona manana vola sy fahefana ny zavatra ilain’ny asan’Andriamanitra dia mety ho nanao zavatra betsaka ireo olona ireo mba hampandrosoana ny asa fitoriana ny fahamarinana ankehitriny. Nanary tombontsoa maro izay tokony nohararaotiny ny vahoakan’Andriamanitra, raha toa ka tsy nifidy ny hihataka tamin’izao tontolo izao izy ireo.TF 203.1

    Noho ny fitondran’Andriamanitra, dia ampifandraisina isan’andro amin’ireo tsy mbola niova fo isika. Manomana lalana eo anoloantsika amin’ny tanany ankavanana mihitsy Andriamanitra mba handrosoan’ny asany haingana. Manana asa masina hatao isika amin’ny maha-mpiara-miasa Aminy antsika. Tokony hiasa mafy ny fanahintsika ho an’ireo olona manana toerana ambony; tokony hampitaintsika aminy ny fanasana be voninahitra ny ho tonga ao amin’ilay fampakaram-bady.TF 203.2

    Na dia saika eo am-pelatanan’ny olona ratsy fanahy avokoa aza ankehitriny izao tontolo izao, miaraka amin’ny fananany sy ny hareny, dia an’Andriamanitra avokoa izany rehetra izany. “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy” — Sal. 24:1 (...) Enga anie ka ho tsapan’ny Kristianina amin’ny fahafenoany kokoa hatrany fa sady tombontsoany no adidiny, ao anatin’ny fikolokoloana foto-kevitra marina, ny mampiasa ny tombony fanararaotra rehetra izay omen’ny lanitra azy ireo mba hampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. - SS, No. 1, tt. 14, 15. (Antso natao tamin’ny mpitandrina sy ny mpitantana ny fiangonana mahakasika ny fampirishana ny hanaovana fanomezana ho an’ny asantsika any amin’ireo saha any ivelany).TF 203.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents