Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fomba Fanovam-Po

    Maninona no tsy mangataka fanampiana avy amin’ny Jentilisa? Naharay toromarika aho fa misy lehilahy sy vehivavy eto amin’izao tontolo izao izay tsara fo, sy hoentanim-piantrana rehefa haseho eo anoloany ny zavatra ilain’ny taranak’olombelona mijaly (...)TF 206.1

    Misy olona eto amin’izao tontolo izao izay mahafoy ny fananany ho an’ny sekoly sy toeram-pitsaboana. Naseho tamiko mazava tsara io toe-javatra io. Mila mahery vaika ny asantsika. An’i Jehôvah ny vola, ary raha haintsika ny manatona ireo mpanan-karena amin’ny fomba sahaza, dia hokasihin’ny Tompo ny fony, ka handrisika azy ireo mba hanome ny fananany Izy Eo am-pelatanan’ireny olona ireny ny volan’Andriamanitra, ary misy amin’izy ireo hamaly ny fangatahana fanampiana.TF 206.2

    Averimbereno izany resaka izany, ary ataovy izay rehetra azonareo atao mba hahazoana fanomezana. Tsy tokony hieritreritra isika fa zavatra tsy tokony atao ny mangataka hoenti-manana amin’ireo olon’izao tontolo izao, satria zavatra tokony hatao mihitsy izany. Naseho teo anoloako izany drafitra izany ho fomba hifandraisana amin’ireo mpanan-karena eto amin’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’io fomba io dia tsy ho vitsy no ho lasa liana, ka mety handre sy hino ny fahamarinana ankehitriny - SS, Lah. 1, tt. 15,16.TF 206.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents