Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 38 - Ny Drafitra Famoriam-Bola Isan-Taona

    Eo am-panarahana izay drafitra mety hapetraka mba hitondrana amin’ny hafa ny fahalalana ny fahamarinana ankehitriny, sy ny fitondran’Andriamanitra mahatalanjona mifandraika amin’ny fampandrosoana ny asa, dia andeha aloha isika hanokana ny tenantsika amin’ny fahafenoany ho an’Ilay izay tiantsika hasandratra ny anarany. Andeha koa isika hivavaka mafy ho an’ireo izay tiantsika hovangiana, ka hitondra azy ireo tsirairay, amin’ny finoana velona, eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra.TF 207.1

    Hain’ny Tompo ny hevitra sy ny fikasan’ny olombelona, ary mora foana manao ahoana ho Azy re ny manalefaka antsika e! Mora foana manao ahoana ho an’ny Fanahiny, izay toy ny afo, ny mampilefitra ny fo vato! Mora foana manao ahoana ho Azy ny mameno fitiavana sy fahalemem-panahy ao anatin’ny fanahy! Mora foana manao ahoana ho Azy ny manome antsika ny fahasoavan’ny Fanahiny Masina, sy ny manao antsika ho afaka hiditra sy hivoaka hiasa ho an’ny fanahy! Tokony ho tsapa ao amin’ny fiangonana ankehitriny ny herin’ilay fahasoavana mandresy; ary ho tsapa tokoa izany raha toa ka mitandrina ka manaraka ny torohevitra nomen’i Kristy ireo mpanara-dia Azy isika. Rehefa mianatra ny maneho ny fampianaran’i Kristy Mpamonjintsika amin’ny endriny mahasarika indrindra isika, dia azo antoka fa hahita ny fanehoana ny famonjen’Andriamanitra.TF 207.2

    Ho an’ireo izay miomana ny hiantsoroka asa misiônera manokana miaraka amin’ny tahirin-kevitra nomanina hampiasaina ho amin’ny drafitra famoriam-bola isan-taona, dia hoy aho hoe: mazotoa eo amin’ny ezaka ataonareo; aoka hivelona eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ampio isan’andro ny fanandramana krisitianina iainanareo. Aoka ireo izay manana fahaizana manokana hiasa ho an’ny tsy mpino izay manana fari-piainana ambony sy ho an’ireo izay manana fari-piainana ambany koa. Katsaho amim-pahazotoana ireo fanahy izay very. Ary eritrereto ny fanirian’i Kristy lalina hamerina indray ho ao am-balany ireo izay nania!TF 208.1

    Ambeno tsara ireo fanahy ireo, tahaka ny olona tsy maintsy hampamoahina ny amin’izany. Aoka hamiratra amin’ny tara- pahazavana mazava sy mitohy ao am-piangonana sy eo amin’ny saha misiônera manodidina anao ny fahazavanao, mba tsy hisy olona hitsangana amin’ny andro fitsarana ka hanao hoe: “Nahoana no tsy nolazainao tamiko izany fahamarinana izany? Nahoana no tsy nikarakara ny fanahiko ianao?”TF 208.2

    Koa andeha hizara amim-pahazotoana ny asasoratra izay efa nomanina fatratra mba hampiasaina ho an’ireo izay tsy ao anatin’ny finoana. Andeha hampiasaintsika amin’ny fatrany ambony indrindra ny tombony fanararaotra rehetra mba hisintonana ny fifantohan'ireo tsy mpino. Andeha hametrahantsika asasoratra eo amin’ny tanana tsirairay izay manaiky ny handray izany. “Manamboara làlana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika ” — Isa. 40:3. Tokony hikambana amin’Andriamanitra ireo olombelona fitaovana mba ho fanatanterahana tanjona iray lehibe. Andro tokony handraisantsika andraikitra izao ankehitriny izao. “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. ” — Apôk. 22:17. - MS 2, 1914.TF 208.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents