Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 40 - Ny Fanati-Tsitrapo

    Tokony hatao an-tsitrapo ny zavatra rehetra ataontsika. Tokony hoentintsika amim-pifaliana sy amim-pankasitrahana ny fanatitsika, sady miteny hoc, raha manolotra izany: Amin’ny Anao ihany no anomezanay Anao an-tsitrapo. Kely dia kely ihany ny fanompoana lafo indrindra azontsika atolotra raha ampitahaina amin’ny fanomezana natolotr’Andriamanitra izao tontolo izao. Fanomezana ho antsika isan’andro i Kristy. Nomen’Andriamanitra izao tontolo izao Izy, ary raisiny amim-pahasoavana ny fanomezana nankininy tamin’ireo olona ampiasainy ho fitaovana mba hampandrosoana ny asany eto amin’izao tontolo izao. Amin’izany no anehoantsika fa fantatsika ary ekentsika fa an’Andriamanitra amin’ny fahafenoany tanteraka ny zavatra rehetra. - MS 124, 1898.TF 216.1

    Ny fanomezana avy amin’ny fo feno fitiavana dia tian’Andriamanitra homem-boninahitra, ka fenoiny fahombiazana ambony indrindra eo amin’ny fanompoana Azy. Raha nomentsika an’i Jesôsy ny fontsika, dia hoentintsika ho Azy koa ny fanomezantsika. Ny volamena sy ny volafotsintsika, ny fananantsika sarobidy indrindra eto an-tany, ny talentantsika ambony indrindra eo amin’ny ara- tsaina sy ny ara-panahy dia hatokana amin-kalalahana ho an’Ilay tia antsika, ka nanolotra ny Tenany ho antsika. - IFM, t. 53TF 216.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents