Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ankasitrahana Ireo Mpanome amin’ny Fifaliana

    “Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra ”‘ — 1 Kôr. 9:6,7. Afaka manasa an’Andriamanitra isika mba hanamarina ireo kaontin’ny fananantsika eto an-tany raha toa ka miasa araka ny foto- kevitr’io torohevitra io isika. Hahatsapa isika fa avy tamin’ny fanomezana nankinin’ny Tompo tamintsika ihany no anolorantsika fanatitra ho Azy.TF 218.1

    Tokony hatolotra amim-pifaliana avokoa ny fanatitsika rehetra; satria izany dia avy tamin’ny vola aman-karena izay hitan’Andriamanitra fa sahaza hapetraka eo am- pelatanantsika mba hampandrosoana ny asany eto amin’izao tontolo izao, mba hivelatra eny amin’ny lalam- be sy ny sakeli-dalana rehetra maneran-tany ny fanevan’ny fahamarinana. Raha toa ka hanome ny anjarany eo amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra ary ny fanomezana hafa ireo rehetra izay milaza fa manaraka ny fahamarinana, dia hisy hanina ao an-trano firaketan’i Jehôvah. Tsy hiankina intsony amin’ny fanomezana tsy azo antoka ateraky ny fihetseham-po, ka hiovaova arakaraka ny fihetseham-pon’ny olona, ny asa fanaovan-tsoa. Horaisina amim-pifaliana ny fangatahan’Andriamanitra, ary horaisina ho manana zo ara- drariny amin’ny ampahany amin’ny harena nankinina teo am-pelatanantsika ny asany.TF 218.2

    Hatraiza ny fahadodonan’ny mpitantana mahatoky iray ny hampitombo ny ampaham-panatitra harotsany ho ao amin’ny trano firaketan’i Jehôvah, noho ny hampihena izany na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza? Iza no tompoiny? Ho an’iza no anomanany ny fanatitra? - Ho an’ilay Iray izay iankinany mba hahazoany ny zavatra tsara rehetra izay ifaliany. Koa aoka tsy hisy eo amintsika, izay mandray ny fahasoavan’i Kristy, hanome antony hahamenatra ny anjely ny amintsika, sy hahamenatra an’i Jesôsy ny hiantso antsika hoe rahalahiny.TF 218.3

    Hikolokolo tsy fankasitrahana ny Tompo va isika, ka haneho izany miharihary amin’ny fanaontsika feno fahihirana raha manolotra fanatitra ho an’ny asan’Andriamanitra isika? Tsia, Tsia! Andeha hatolotsika ho fanatitra velona ho an’i Jesôsy ny tenantsika, dia hatolotsika ho Azy koa izay rehetra ananantsika. Azy izany; ary fananana novidiny isika. Ireo izay mandray ny fahasoavany, sy mibanjina ny hazofijalian’i Kalvary, dia tsy hametra-panontaniana momba ny ampahany tokony homeny, fa hahatsapa kosa fa ny fanatitra faran’izay betsaka indrindra dia bitika dia bitika sy tsy misy lanjany mihitsy raha ampitahaina amin’ilay fanomezana lehibe, dia ny Zanaka Lahitokan’Ilay Andriamanitra mandrakizay Hahita fomba hahazoana zavatra homena ny Tompo na dia ny mahantra indrindra aza rehefa manolo-tena ho Azy. - RH, 14 Jol. 1896.TF 219.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents