Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 41 - Fomba Mahazatra Fanaovana Antso Amin’ny Olona

    Hitantsika fa ny fiangonana amin’izao androntsika izao dia mampiriska ny fanaovanana lanonana sy ny tsy fahalalana onony amin’ny sakafo ary ny filibana amin’ny alalan’ny fanaovana sakafo be, tsenabe, fandihizana, ary lanonana, izay tanterahina mba hamoriana vola harotsaka ao amin’ny trano firaketan’ny fiangonana. Fomba noforonin’ny sain’olombelona mba hahazoana vola tsy ahitana taratra fahafoizan-tena izany.TF 220.1

    Misy fiantraikany eo amin’ny sain’ny tanora ny ohatra tahaka izany. Tsikaritr’izy ireo fa ankasitrahan’ny fiangonana ny lôtery sy ny tsenabe ary ny filokana, ka mieritreritra izy ireo fa misy zavatra mahatalanjona eo amin’io fomba tsara fahazoana vola io. Voahodidina fakam-panahy ny tanora. Miditra ao amin’ireny trano fanaovana “bowling” na irony trano filokana irony izy ireo mba hijery fanatanjahan-tena. Ary dia hitany ny vola raisin’izay mandresy. Toa mahasarika erỳ ny fahitany izany. Toa fomba hahazoana vola mora foana noho ny fanaovana asa matotra izany, asa izay mitaky tanjaka sy faharetana ary fitsitsiana hentitra. Mieritreritra izy fa tsy misy zavatra ratsy ao anatin’izany, satria nisy lalao sahala amin’izany izay notanterahina mba hahazoana vola ho tombontsoan’ny fiangonana. Koa maninona moa raha mba manampy ny tenany amin’ny alalan’izany koa izy?TF 220.2

    Manana vola kely izy, izay andrakandramany ampiasaina, mieritreritra fa mety mba hitondra vola be izany. Na mahazo izy na tsia, dia eo an-dalam-pitotonganana ny fiainany Ny ohatra nasehon’ny fiangonana anefa no nitarika azy ho amin’io lalan-diso io.TF 220.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents