Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manome noho ny Antony Feno Fitiavan-Tena

    Ao amin’ireo fivoriana izay lazaina fa fivoriana Kristianina dia saronan’i Satana amin’ny fitafiana ara- pivavahana ireo fahafinaretana mamitaka sy ireo fanaovana lanonana tsy masina, mba hanomezana azy ireo ny endriky ny fahamasinana, ka dia mandry ny eritreritry ny maro satria hangonina mba handoavana ny fandanian’ny fiangonana ny vola azo avy amin’izany Mandà ny hanome noho ny fitiavana an’Andriamanitra ny olona; fa noho ny fitiavana fahafinaretana sy ho fampanaranam-po ny hatendan-kanina sy ireo antony feno fitiavan-tena, dia vonona ny hanolotra ny volany izy.TF 222.1

    Moa ve satria tsy misy hery ao amin’ireo lesona nomen’i Kristy momba ny fahalalahan-tanana, sy ao amin’ny ohatra napetrany, ary ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay manetsika ny fo ka mitarika ny olona hankalaza Azy amin’ny fananany, no dia tsy maintsy izany fomba izany no ampiharina mba hanohanana ny fiangonana? Tsy kely velively ny fahavoazana eo amin’ny fahasalamana ara- batana sy ara-tsaina ary ara-môraly aterak’ireny fialam-boly famalifaliana sy fanomezana fahafaham-po ny hatendan- kanina ireny.TF 222.2

    Zava-misy tena mampalahelo izany hoe ireo zavatra masina sy mandrakizay dia tsy manana ny hery hanokatra ny fon’ireo milaza azy ho Kristianina mba hanolotra fanatitra an-tsitrapo hanohanana ny filazantsara, tahaka ny hery ananan’ireo kolikoly maka fanahy, izay aseho amin’ny endrika lanonana sy famalifaliana amin’ny kapobeny. Tena zavatra mampalahelo tokoa raha manjaka ireo fitaoman-dratsy rehetra ireo, kanefa ireo zavatra masina sy mandrakizay dia tsy hanana hery hanetsika ny fo mba hirotsaka amin’ny asa fahalalahan-tanana.TF 223.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents