Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Nampiditra ny Filokana i Mosesy

    Tena nahomby tokoa ny drafitra napetrak’i Mosesy tany an’efitra mba hanangonana vola. Tsy nilaina ny faneriterena. Tsy nanao lanonan-dehibe i Mosesy. Ary tsy nampiditra filokana na zavatra tsy masina tahaka izany izy mba hahazoana vola hananganana ny tabernakelin’Andriamanitra tany an’efitra. Nandidy an’i Mosesy Andriamanitra mba hanasa ny zanak’i Israely hitondra ny fanatiny. Horaisin’i Mosesy ny fanatitra rehetra avy amin'ny olona rehetra izay ampirishin'ny fony. Nitobaka aoka izany ireo fanatitra an- tsitrapo ireo ka nanambara i Mosesy fa efa ampy izany. Tsy maintsy atsahatr’izy ireo ny fanomezana; satria nanolotra be dia be izy ireo, mihoatra noho izay azon’izy ireo nampiasaina.TF 223.2

    Nahomby ny fakam-panahy nataon’i Satana tamin’ireo milaza azy ho mpanara-dia an’i Kristy teo amin’ny resaka fampanaranam-po ny fahafinaretana sy ny hatendan- kanina. Mitafy akanjo tahaka ny anjelin’ny mazava izy, ka hanatsoaka teny avy ao amin’ny Soratra Masina mba hanamarinana ny fakam-panahy apetrany eo anatrehan’ny olona, mba hampanaranam-po ny hatendan-kanina sy ireo fahafinaretana eo amin’izao tontolo izao izay mifanaraka tsara amin’ny fo araka ny nofo. Marefo eo amin’ny hery ara- môraly ireo milaza azy ho mpanara-dia an’i Kristy, ary mora sodokan’ny kolikoly izay nasehon’i Satana teo anatrehan’izy ireo, ka azony ny fandresena.TF 223.3

    Ahoana no fijerin’Andriamanitra ny fiangonana tohanana amin’ny hoenti-manana tahaka izany? Tsy afaka hanaiky ireo fanatitra ireo i Kristy, satria tsy nomena noho ny fitiavany Azy sy ny fanolorany tena Taminy izany, fa noho ny fanompoany ny tenany, izay fanompoan-tsampy. Fa izay tsy hataon’ny olona maro noho ny fitiavany an’i Kristy, dia hataony noho ny fitiavany ireo rentirenty lafo vidy mba hanomezana fahafaham-po ny hatendan-kanina, sy noho ny fitiavana ireo fialam-bolin’izao tontolo izao mba hamalifaliana ny fo araka ny nofo. RH, 13 Okt. 1874.TF 224.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents