Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahalalahan-Tanana Tsy Misy Foto-Kevitra Lalina

    Mety ho olona tian’ny mpanan-karena sasany indrindra ny mpitandrina, ary mety tena malala-tanana aminy tokoa izy. Mahafaly ilay mpitandrina izany, ka ho setrin’izany dia derainy aoka izany ny fahalalahan-tanan’ilay mpanome azy. Mety hasandratra ny anarany ka havoaka an-gazety mihitsy, kanefa mety tsy mendrika izany voninahitra izany mihitsy io mpanome malala-tanana io.TF 225.2

    Ny fahalalahan-tanany dia tsy nipoitra avy tamin’ny foto- kevitra lalina sy velona izay nanosika azy hanao soa amin’ny harenany mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra satria tiany izany, fa avy tamin’ny antony manosika feno fitiavan-tena, faniriana ny horaisina ho toy ny malala- tanana. Mety nanolotra noho ny fientanam-po izy, ka tsy misy foto-kevitra lalina ny fahalalahan-tanany. Mety tohina ny fony raha nihaino fahamarinana nampihetsi-po izy, izay nanokatra teo no ho eo ny hidin’ny poketrany; saingy tsy misy antony manosika lalina ny fahalalahan-tanany, na izany na tsy izany. Manome araka ny zavatra manaitaitra azy izy; misokatra ny poketrany indraindray, ary indraindray kosa mihidy mafy. Tsy mendrika ny hahazo dera na dia kely akory aza izy, satria olona kahihitra loatra izy, amin’ny hevitr’io teny io rehetra; ary raha tsy miova tanteraka izy, miaraka amin’ny poketrany sy ny hafa rehetra, dia hahazo ilay fanamelohana mahasanganehana manao hoe: “He! hianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. Ny harenareo efa lanin'ny kalalao. ” — Jak. 5:1,2. Ny olona tahaka izany dia hifoha avy ao anatin’ny fahadisoam-panantenana mahatsiravina amin’ny andro farany. Ireo izay nidera ny fahalalahan-tanany mitsitapitapy dia nanampy an’i Satana hamitaka ireo olona ireo, ka nanao izay hieritreretan’izy ireo fa tena malala-tanana sy tena mahafoy tokoa izy ireo, kanefa tsy fantany akory ireo foto-kevitra voalohany amin’ny fahalalahan-tanana sy ny fahafoizan-tena. - 1T, tt. 475,476.TF 226.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents