Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fandresen’i Kristy

    Niatrika ireo karazana fakam-panahy lehibe indrindra izay mety mamely ny olona i Kristy tany an’efitra. Teo no niatrehany irery ilay fahavalo fetsy sy misoko mangina ary nandreseny azy. Ny fakam-panahy lehibe voalohany dia mifandraika amin’ny hatendan-kanina; ny faharoa dia ny fahasahisahiana; ny fahatelo dia ny fitiavana izao tontolo izao. Nomena an’i Kristy ny seza fiandrianana sy ny fanjakana eto amin’izao tontolo izao, miaraka amin’ny voninahiny. Tonga teo i Satana, niaraka tamin’ny voninahitra eo amin’izao tontolo izao, ny harena, ary ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana, ary nasehony tamin’ny fahazavana manintona indrindra izany mba hahasarika sy hahavoafitaka. “Izao rehetra izao dia homeko Anao ”, hoy izy, “raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. ” — Mat. 4:9. Noroahin’i Kristy anefa ilay fahavalo fetsy ka nivoaka ho mpandresy Izy.TF 228.1

    Tsy hosedraina amin’ny fakam-panahy mafy tahaka izay namely an’i Kristy na oviana na oviana ny olombelona; kanefa nahazo fandresena tsara kokoa i Satana raha nanatona ny olona. “Homeko anao avokoa ireo vola rehetra ireo, ireo tombontsoa rehetra ireo, ireo fahefana rehetra ireo, ireo voninahitra sy harena rehetra ireo” - inona no takalony? Mahalana no ambara mazava tsara tahaka izay nanambarana izany tamin’i Kristy ny fepetra, - “raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” Mionona amin’ny fitakiana ny fialana amin’ny fahitsiana sy ny fanadontoana ny feon’ny fieritreretana i Satana. Mandray ny haja amam- boninahitra rehetra angatahiny izy rehefa milofo fatratraTF 228.2

    amin’ny fitadiavana ireo tombontsoan’izao tontolo izao ny olombelona. Noho ny fiainana ratsin’ny olombelona, izay tsy misy faharetana, feno fitiavana ny tena, sy avonavona, sy fahihirana ary tsy fahitsiana, dia avela hisokatra midanadana ny varavarana ka afaka miditra ao amin’izany i Satana, araka izay tiany. Voajono sy revo ny olombelona, ary voasintona amin-kafetsena ho amin’ny fahaverezana.TF 228.3

    Eo anoloantsika ny ohatra nomen’i Kristy. Naharesy an’i Satana Izy, ka maneho antsika ny fomba hahafahantsika mandresy koa. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny Soratra Masina no nandresen’i Kristy an’i Satana. Azony natao ny nampiasa ny heriny amin’ny maha-Andriamanitra Azy sy nampiasa ny teniny manokana; saingy hoy Izy: “Voasoratra hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra’” — Mat. 4:4. Raha nianarana sy nampiharina ny Soratra Masina, dia hahazo hery hiatrehana ilay fahavalo feno hafetsena ny Kristianina; saingy nohamaivanina ny Tenin’Andriamanitra, ka dia loza aman’antambo sy faharesena no vokatr’izany.TF 229.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents