Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Vokatry ny Fitadiavana Tombontsoa

    Io fikelezana aina tsy mitsaha-mitombo mba hahazoana vola io, ny fitiavan-tena izay ateraky ny faniriana hahazo tombontsoa, no mampihena ny aim-panahin’ny fiangonana, sy manala ny fitiavan’Andriamanitra aminy. Rehefa ampiasaina amin’ny fanaovana drafitra sy amin’ny fiasana mafy ho famorian-karena ny loha sy ny tanana, dia hadino ny fangatahan’Andriamanitra sy ny fangatahan’ny olombelona.TF 19.1

    Raha notahin’Andriamanitra tamin’ny fananana maro isika, dia tsy ny mba hamiliviliana ny fotoanantsika sy ny fifantohantsika hiala Aminy ka homena an’izay natolony antsika izany. Lehibe noho ny fanomezana ny Mpanome. Olom-boavidy isika, tsy antsika ny tenantsika. Hadinontsika ve ilay sarany mandrakizay izay naloa ho fanavotana antsika? Tsy misy fankasitrahana intsony va ao am-po? Tsy mampahamenatra ny fiainam-pahafinaretana sy ny fampanaranam-po ny tena ao anatin’ny fitiavan-tena ve ny hazo fijalian’i Kristy? (...) Mioty ny vokatr’io fanoloran-tena mandrakizay io isika; kanefa rehefa misy asa hatao, rehefa ilaina ny volantsika mba hanampiana ny asan’ny Mpanavotra eo amin’ny famonjem-panahy, dia miala amin’ny adidy isika ary mangataka ny ho afa-tsiny. Manidy ny retsi-pandrentsika amin’ny fitakian’Andriamanitra ny hakamoana maharikoriko, sy ny tsy firaihana ary ny fitiavan-tena ratsy.TF 19.2

    Tsy maintsy nizaka ilay hazo fijaliana mavesatra sy nisalotra ilay satro-tsilo ary nisotro ny kapoaka mangidy ve i Kristy, ilay Avo Indrindra any an-danitra, ilay Mpanjakan’ny voninahitra, kanefa isika dia makamaka aina tsara, manandra-tena, ary manadino ireo fanahy izay nahafatesany mba havotana amin’ny alalan’ny rany sarobidy? Tsia, andao isika hanolotra raha mbola manana ny fahefana hanaovana izany. Andao isika hiasa raha mbola manana ny tanjaka hanaovana izany. Andao isika hiasa raha mbola antoandro. Andao isika hanokana ny fotoanantsika sy ny volantsika ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hahazoantsika ny fankasitrahany, sy handraisantsika ny valim-pitia avy Aminy. - RH, 17 Okt. 1882.TF 19.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents