Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fialana amin’ny Fahafoizan-Tena Nananan’ireo Mpisavalalana

    Nisy fotoana, tsy nisy afa-tsy olona vitsy no nihaino sy nanaiky ny fahamarinana, ary olona tsy dia nanana ny fananan’izao tontolo izao izy ireo. Noho izany dia nilaina ny nivarotan’ny olona sasany ny tranony sy ny taniny, dia nividy trano sy tany mora kokoa izy ireo. Rehefa izay dia nampindraminy maimaim-poana tamin’ny Tompo ny vola mba hampielezana ny fahamarinana, ary ankoatra izany dia nanampy tamin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra izy ireo. Niaritra ny tsy fananana ireto olona feno fahafoizan- tena ireto; raha haharitra hatramin’ny farany anefa izy ireo, dia ho lehibe tokoa ny valim-pitiany.TF 235.1

    Nikasika ny fon’olona maro Andriamanitra. Naharesy ny fahamarinana izay nanaovan’ny olona vitsy fahafoizana be dia be, ary olona maro no nandray izany. Noho ny fitondran’Andriamanitra, dia voataona ho amin’ny fahamarinana ireo olona manana hoenti-manana, ka rehefa nitombo ny asa, dia tratra ny zavatra nilain’izany asany izany. Ankehitriny, tsy mangataka ny vahoakany Andriamanitra mba hanolotra ny trano izay ilain’izy ireo mba hipetrahana; saingy raha toa ka tsy mihaino ny feony ireo manam- be, ka tsy miala amin’izao tontolo izao mba hanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia handalo azy ireo fotsiny Izy, ka hiantso ireo izay vonona ny hanao ny zavatra rehetra ho an’i Jesôsy, na dia ny hivarotra ny tranony aza, mba hanomezana izay ilain’ny asany. Fanatitra an-tsitrapo no tadiavin’Andriamanitra. Tsy maintsy raisin’ireo izay manome ho tombontsoa lehibe ny fahafahana manao izany.—RH, 16 Sept. 1884.TF 235.2

    Mandalo fizahan-toetra eo anatrehan’ny tontolon’ny lanitra ny vahoakan’Andriamanitra; fa ny tsy fahampian’ny fanomezana sy ny fanatitra atolony, sy ny hakelin’ny ezaka ataony eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia maneho fa tsy mahatoky izy ireo. Raha toa ka ny kely ataony amin’izao fotoana no ny tsara sy betsaka indrindra azony atao, dia tsy hahazo fanamelohana izy ireo; saingy afaka manao misimisy kokoa izy ireo amin’ny hoenti-manana eo am-pelatanany. Fantatr’izy ireo ary fantatr’izao tontolo izao fa saika efa narian’izy ireo ny toe-tsain’ny fandavan-tena sy ny fitondrana ny hazo fijaliana. — TFC, b. 6, tt. 445,446.TF 235.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents