Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Zava-Misy Marina Izay Mitoetra, na ny Aloka Izay Mandalo

    Manasa ireo mambra ao am-piangonany mba hifikitra tanteraka amin’ilay fanantenan’ny Filazantsara marina sy tena izy Kristy. Tarihiny hampitodika ny fijeriny ho any an-danitra izy ireo ary nomeny toky fa ny harena izay azo antoka fa mitoetra dia any ambony fa tsy etỳ ambany. Ao an-danitra ny fanantenany fa tsy etỳ an-tany. Hoy izy taminy “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany” — Mat. 6:33.TF 238.1

    Amin’ny olona maro, ny zavatr’izao tontolo izao dia manamaizina ny hasarobidin’ny lanja tsy manampetran’ny voninahitra maharitra mandrakizay izay miandry ny olo- masin’ny Avo indrindra. Tsy hainy ny manavaka ny zava- misy marina sy tena izy ary maharitra amin’ny aloka diso sy mandalo, izay tena sandoka tokoa. Manery azy ireo hanaisotra eo imasony izay rehetra manakona ny fijeriny tsy hahita ny tena zava-misy marina sy maharitra mandrakizay i Kristy. Hizingizininy ny hialana amin’ny karazan-javatra rehetra izay manery azy handray ny matoatoa ho toy ny tena misy ary ny tena misy ho toy ny matoatoa. Mitaraina amin’ny vahoakany Andriamanitra mba hampiasa ny fahafahany ara- batana, ara-tsaina ary ny ara-panahy ho amin’ny fanompoana izay andrasany aminy. Tiany holazain’ny mambra tsirairay avy fa fatiantoka ny tombontsoa sy ny zavatsoa eto amin’ity fiainana ity raha hoharina amin’ny harena izay natokana ho an’izay mikatsaka fatratra ny fiainana mandrakizay. - RH, 23 Jona 1904.TF 238.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents