Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Variana Loatra amin’ny Fitadiavan-Karena

    Manam-paharetana eo amin’ny asany mihoatra noho ny tamin’ny fotoan’ny safodrano ilay fahavalo amin’izao androntsika izao. Miasa amim-pahamalinana sy amim- pahazotoana ao an-tsain’ny olona izy mba hambaboany ny sain’izy ireo amin’ny zavatr’izao tontolo izao. Ampiasainy avokoa ny fahaizana amam-pahalalany rehetra mba handrobohana ny olona hitondra tena toy ny adala, ka handany andro amin’ireny sehatra fifanakalozana ara- barotra ireny, ka hanary tanteraka ny fanantenany ny fiainana mandrakizay. Mikaroka zava-baovao foana izy mba hampidi-doza ny fiainan’ny olombelona. Ary eo ambany fitarihany no ampiasan’ny olombelona izay noeritreretiny. Lasa voasinton’ny fitadiavan-karena sy ny voninahitr’izao tontolo izao loatra izy ireo ka tsy raisiny intsony ny fiarovana amin’ny alalan’ilay teny manao hoe: “Izany no lazain’ A ndriamanitra.”TF 239.1

    Mibitaky ny hafaliana i Satana mahita ny fahombiazany mampanalavitra ny fanahy amin’ny fanomezana lanja manokana ireo zavatra manan-danja sy miezinezina mahakasika ny fiainana mandrakizay. Tiany hongotana hiala avy ao an-tsaina ny fiheverana ny momba an’Andriamanitra ka hosoloiny amin’ny fanaon’izao tontolo izao sy ny fironam-pitadiavam-bolany. Ny hampilatsaka izao tontolo izao ao anatin’ny haizina tanteraka no tanjony. Hitarika ny olona hanadino an’Andriamanitra sy izay momba ny lanitra no tena paik’adiny, hahafahany mitondra fanahy faran’izay betsaka ho eo ambany fitsarany. Mba hahatongavany amin’izay tanjona izay dia velariny eo anoloany ny sehatra asa sy ny famoronana zava-baovao mba hisintomana ny eritreritry ny olona ka tsy hananany fotoana hieritreretana ny zavatry ny lanitra intsony.TF 239.2

    Dieny izao no tokony hifohazan’ny vahoakan’Andriamanitra sy hanaovany ny asa izay notsinontsinoaviny taloha. Tokony hangonina ho amin’ny fanomanana izany asa izany avokoa ny fahaiza-manao ananatsika sy ny fahalalan’ny eritreritsika. Tsy tokony hitsitsy ny ezaka tokony hatao hizarana ny fahamarinana araka izay hita ao amin’i Jesôsy isika, izay miaraka amin’ny fahatsorana kanefa feno hery mahagaga ny saina tokoa. Tokony hanao drafitra mba hiasana amin’ny fomba tsy mandany vola be isika; satria tokony hiparitaka lavitra ity asa ity. - RH, 15 Des. 1910.TF 240.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents