Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nanjavona ny Fahalalahan-Tanana Tena Izy

    Matetika dia ireo izay tena miaina ao anaty fahantrana indray no manome betsaka ho fanohanana ny asan’Andriamanitra mitaha amin’ny hafa. Tena malala-tanana amin’izay mba kely ananany izy ireo. Ary nohamafisiny tamin’ny alalan’ny fanaovana fanatitra matetika ny fahalalahan-tanany. Tsy manana toerana hamaharana ny firehetam-po amin’ny haren’ny tany rehefa zara raha mihoatra noho ny vola mivoaka ny vola miditra.TF 242.2

    Fa betsaka ny olona izay raha vao mahita fa manomboka miroborobo kely ny asany, dia efa manao kajy sahady hoe rahoviana vao mba hahatratra ny totalim-bola heveriny ho azo. Amin’izany hazakazaka ho amin’ny fahazoan-karena ataon’izy ireo izany dia adinony ny ho tonga manan-karena ho an’Andriamanitra. Tsy arakaraky ny firoboroboan-kareny ny fanatitra ataony. Arakaraka ny hitomboan’ny firehetam-po ho amin’ny fitiavan-karena ao anatin’izy ireo no hampifantohany ny tombontsoany rehetra amin’ny haren’ny tany. Manjary heveriny ho toy ny hoe hetra tsy mifaditrovana sy tsy rariny ny ampahafolony. Hoy ilay mpanao tononkalo iray: “Raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo. ” — Sal. 62:10. Betsaka ny Kristianina no miteny hoe: “Raha mba nanan- karena aho dia nampitomboiko ny fanomezana nomeko an’Andriamanitra. Ary hatokako ho fampandrosoana ny asany ny fananako rehetra.” Nosedrain’Andriamanitra ireo olona ireo tamin’ny alalan’ny fanomezana harena ho azy, kanefa dia tonga miaraka amin’ny harena koa ny fakam- panahy mahery vaika, mba hahatonga ny fahalalahan-tanany ho kely noho ny tamin’izy nahantra. Mankafy ny harena loatra ny sainy sy ny fony ka dia indro fa tonga meloka noho ny fanompoan-tsampy izy ireo. —3T, t. 403.TF 243.1

    Ny sasany, raha mbola nahantra dia tena nalala-tanana tamin’ny kely izay ananany; kanefa indrisy fa rehefa tonga mpanan-karena izy ireo dia nanjary mahihitra. Ny antony mahatonga azy ho kely finoana dia satria tsy mandroso intsony izy rehefa nambinina, ka dia toa sorona goavana ho azy ny hanome ho an’Andriamanitra. — 4T, t. 77.TF 243.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents