Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 44 - Fanekem-Pinoana Foana

    Ny Baiboly dia miresaka momba ny antokon’olona maro izay manao fanekem-pinoana fotsiny ihany fa tsy mankatò ny teny. Maro amin’ireo izay milaza fa mino an’Andriamanitra no mandà Azy amin’ny asan’izy ireo. Manasokajy azy ireo ho mpanompo sampy sy mpihemotra ny fiankohofany amin’ny vola sy amin’ny trano ary amin’ny tany. Fitiavan-karena ny fitiavan-tena rehetra, ka noho izany dia fanompoan- tsampy. Maro amin’ireo izay voasoratra anarana tao amin’ny bokim-piangonana, amin’ny maha-mpino an’Andriamanitra sy ny Baiboly, no miankohoka amin’ny fananana izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo mba hotantaniny. Mety tsy miankohoka ara-bakiteny eo anatrehan’ny hareny eto an-tany izy ireo, saingy izany no andriamaniny, na izany na tsy izany. Mpivavaka amin’ny mamôna izy ireo. Omen’izy ireo ho an’ireo zavatra eto amin’izao tontolo izao ny voninahitra izay an’ny Mpamorona. Ilay mahita sy mahafantatra ny zava-drehetra dia mandray an-tsoratra ny maha-sandoka ny fanekem-pinoana ataon’izy ireo.TF 244.1

    Esorina tsy ho eo amin’ny tempolin’ny fanahin’ny Kristianin’izao tontolo izao Andriamanitra, mba hanana toerana betsaka ny fitsipik’izao tontolo izao. Ny vola no andriamaniny. An’i Jehôvah izany, saingy mandà ny hamela izany hikoriana ao anatin’ny asam-panaovan-tsoa ny olona izay nanankinana izany. Raha nandray izany araka ny fikasan’Andriamanitra izy, dia hiakatra any an-danitra ny fofo-manitry ny asa soa ataony, ary hisy hiram-piderana sy fankasitrahana ho re avy amin’ny fanahy niova fo an’arivony maro.TF 244.2

    Ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra, ho fananganana ireo maty ao anatin’ny fahadisoana sy ny fahotana, ho firesahana amin’ny mpanota ny momba ny balsama manasitran’ny fitiavan’ny Mpamonjy, - ho amin’izany no tokony hampiasana ny volantsika. Matetika anefa izany no ampiasaina ho amin’ny fanandratan-tena. Raha tokony ho fitaovana hitondrana fanahy maro ho amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Kristy ny fananana eto an-tany, ka hanainga fiderana sy fankasitrahana ilay Mpanome ny soa rehetra vokatr’izany, dia lasa fitaovana izay manafina ny voninahitr’Andriamanitra sy manamaizina ny fahitana ny lanitra. Feno fanao ratsy izao tontolo izao noho ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny vola. Nohidiana tamin’ny Mpanavotra ny varavaran’ny saina.TF 245.1

    Izao no fanambarana nataon’Andriamanitra; “Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena” Mihazona firaketana hentitra miaraka amin’ny zanakalahy sy ny zanakavavin’i Adama tsirairay Izy, mba hahafantarany ny fomba fandraisan’izy ireo no hoenti-manana omeny. Mety hilaza ny lehilahy sy ny vehivavin’izao tontolo izao hoe: “Tsy Kristianina ange aho e! Tsy milaza aho fa manompo an’Andriamanitra”. Fa mahatonga azy ireo ho tsy meloka noho ny fandevenany ny hoenti-manana sy ny fahafaha- manao avy amin’Andriamanitra ao anatin’ny asa aman- draharaha eto amin’izao tontolo izao mba hampandrosoana ny tombontsoany feno fitiavan-tena ve izany?TF 245.2

    Mitodika aminareo izay tsy mahalala an’Andriamanitra aho, izay mety mamaky ireto andalana ireto; satria, noho ny fitarihan’Andriamanitra, dia mety hitan’ny masonareo izany. Inona no ataonareo amin’ny fananan’ny Tomponareo? Inona no ataonareo amin’ny hery ara-batana sy ara-tsaina nomeny anareo? Vitanareo ve,amin’ny herin’ny tenanareo, ny mihazona ny tenanareo hihetsika mandrakariva? Raha nilaza teny tokana fotsiny ihany Andriamanitra mba hanambarana fa tsy maintsy ho faty ianareo, dia hodimandry eo no ho eo ihany ianareo. Isan’andro isan’andro, isan’ora isan’ora, isa- minitra isa-minitra, dia miasa amin’ny heriny tsy mety ritra Andriamanitra mba hihazonana anareo tsy ho faty. Izy no manome ny fofonaina izay mihazona ny aina ao anatin’ny tenanareo. Raha nanao tsirambina ny olona Andriamanitra, tahaka ny anaovan’ny olona tsirambina an’Andriamanitra, dia inona no hiafaran’ny taranak’olombelona?TF 245.3

    Liana amin’ny asan’ny tanany ilay Dokotera misiônera lehibe. Asehony eo anoloan’ny olona ny kizo amin’ny fanakatonana ny varavaran’ny fo tsy hidiran’ny Mpamonjy, ka hoy Izy: “Mialà, mialà amin'ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?” - RH, 23 May 1907.TF 246.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents