Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 10 — Ny Famitahan’ny Fiantoham-Barotra Hakana Tombony Mihoapampana

    Toko 45 - Faniriana Fatratra Hanan-Karena

    Tsy tokony hohadinoin’ny vahoakan’Andriamanitra, izay voatahy manokana tamin’ny fandraisana fahazavana lehibe mahakasika ny fahamarinana amin’izao vaninandro ankehitriny izao fa miandry sy manantena ny fiverenan’ny Tompo eo amin’ny rahon’ny lanitra izy ireo. Aoka tsy hohadinoiny koa fa tsy maintsy manafoana ireo asan’ny maizina izy ireo ary manandratra avo ny fahazavana. Aoka tsy hisy olona hanao ny volamena, ny vola, na ny tany ho lasa sampiny ary aoka tsy hisy hanokan-tena ho an’ity tany ity sy ny tombontsoany. Misy fahazaran-dratsy mahazo laka eny an- tanan-dehibe ka hatrany ambanivohitra amin’ny fiantoham- barotra hakana tombony mihoapampana amin’ny resaka tany. Ireo làlana azo antoka fahiny izay mitarika ho amin’ny fahampiana dia mihalefy laza. Maro no tsy mankasitraka ny fahazarana mamory harena amin’ny alalan’ny fanangonana tsikelikely ireo karama azo sy ny fihafiana; tahaka ny hoe tsy mifanaraka amin’izao vaninandron’ny fandrosoana izao intsony izany Miha-lalim-paka ny faniriana hirotsaka ho amin’ny fakana tombony mihoampampana amin’ny alalan’ny fividianana sombina tany na trano na koa zavatra hafa izay mampanantena harena vetivety sy azo tsapain-tanana ka dia nahasarika sy nampirona amin’ny fahafenoana ny fanahy sy ny eritreritra ary ny asa hankany amin’io tanjona io, izay tsy inona fa fanangonana harena eto an-tany ao anatin’ny fotoana fohy.TF 251.1

    Mihazakazaka mankany amin’ny fitotonganana ny ankamaroan’ny tanorantsika noho io faniriana fatratra hanan- karena io. Manokatra ny varavaran’ny fo hidiran’ny fakam- panahy alefan’ny fahavalo anefa io mena miraviravin’ny fitiavan-karena io. Mahasarika sy mamitaka loatra ireo fakam-panahy ireo ka vitsy ihany ny olona mahatohitra azy (...)TF 252.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents