Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitiavana Manokana ny Orinasa Vaovao

    Raha toa ka misy orinasa vaovao mitsangana eo amin’ny faritra iray, dia hahita hevitra hahazoana vola hampandehanana io orinasa io hatrany ny olona izay manambara ny tenany ho mino ny fahamarinana- Mahafantatra tanteraka ny fo rehetra Andriamanitra. Fantany avokoa ny hetsika feno fitiavan-tena rehetra ary avelany hitranga ny toe-javatra sasany hahafahany mandinika ny fon’ny mpianany ka hitsapany azy sy hanovany ny toetrany. Misy fotoana avelan’Andriamanitra handroso ny olona, ary hahatsapa fatiantoka sy fitotonganana tanteraka. Manao ny fomba rehetra Izy hahadiso fanantenana azy ireo sy hanaparitahana ny fananany.TF 253.2

    Ireo izay maneho ny fiheverany marina ny asan’Andriamanitra ka manam-paniriana lalina hikaroka ny fomba hampandrosoana izany, dia hahatsapa fa azo antoka tanteraka ary tsy very maina ny fampiasam-bola ataony. Ny sasany amin’izy ireo dia handray avo zato heny eto amin’ity fiainana ity ka hatrany amin’ny fiainan-koavy. Saingy tsy ny rehetra no handray izany satria mety tsy hahazaka izany ny sasany. Ho lasa mpitantana tsy mahatoky mantsy izy raha hanankinana mihoatra. Somary feran’ny Tompo izy ireo eo amin’ny tombontsoan’ny tenany manokana saingy ampoka kosa ny harena votahiry ho azy any an-danitra. Tsara lavitra manao ahoana re izany fiharian-karena izany e!TF 253.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents