Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahasintona Kokoa Noho ny Asa am-Pikirizana

    Maniry fatratra ny hampiraikiraiky ny fanatanterahana ny asa amin’izao fotoana izao ny fahavalon’ny fanahy amin’ny alalan’ny famitahana azy ireo hirotsaka amin’ny fifanakalozana ara-barotra tsy madio. Tiany ny haneho azy ny endrika ivelan’ny fahalalahan-tanana ary raha toa mahomby io fomba fiasa io ka ahitam-bokatra eo no ho eo dia hanaraka ny sasany. Ny fahamarinana, izay mampiavaka ny mambra amin’izao tontolo izao, raha mba azony tsara dia hanafoana sy hahavery ny fahefan’izany fomba fiaina izany.TF 254.3

    Mirotsaka ho amin’ny tetikasa mamitaka sy toa hahazoam-bola be ny sasany ary ny sasany kosa dia mahazo ny toe-tsain’ny fitadiavana tombony mihoapampana. Izany indrindra no tadiavin’izy ireo ary miditra an-tsehatra mivantana ao amin’ny orinasa mpaka tombony diso tafahoatra ireo olona ireo, mba hanao asa izay hanalavitra ny fanahiny amin’ny fiomanana masina sy manan-danja tokony hataony mba hahavonona azy hiatrika ny fanenjehana izay ho avy amin’ny andro farany.TF 255.1

    Manana drafitra maty paika tsara ny fahavalon’ny fanahy ary miezaka mampiasa ny fomba rehetra azo atao hahazoana fahombiazana. Nisy fotoana nandrosoan’ny sasany tamin’ny mambra toe-javatra mifandanja amin’io drafitra hahazoana tombony sy fahasambarana io. Kanefa rehefa tonga ny fotoana handraisana ny vokatra dia hita fa fahafonganana tanteraka no niseho. Tena tankina ny mambrantsika nanoloana izany. Nirotsaka ho amin’ny fitadiavana tombony mihoapampana izy ireo ary nieritreritra fa hahazoana vola bebe kokoa noho ny asa mafy nefa feno fahatokiana tahaka ny efa nataontsika hatramin’izao izay ilana fikirizana sy fahatokiana an’Andriamanitra izany.TF 255.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents