Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanaovana Fiantohana Tany Hakana Tombony Mihoapampana Akaikin’ny Sahantsika

    Nahazo toromarika aho mba hitondra fanambarana ho an’ireo anadahintsika, hilazana amin’izy ireo fa tsy tokony hanao fiantoham-barotra tsy ara-drariny mifandraika amin’ny fividianana sy fivarotana tany akaikin’ny tanin’ny sekoly izy ireo. Tsy maintsy voafaritry ny fahatokiana hentitra indrindra ny fifanarahana tsirairay eo amin’ny fividianana sy fivarotan-javatra. Tsy azo ampanaranana ny fitiavan-tena. Ireo foto-kevitra izay ijoroan’ny sekolintsika sy ampianarina ny mpianatra amin’ny maha-ampahany amin’ny fanabeazana azy, dia tsy maintsy volena sy asehon’ireo izay mifandray akaiky amin’ny tombontsoan’ilay sekoly. Tsy azon’izy ireo atao, ao anatin’ny ezaka ataony mba hahazoany tombontsoa ho an’ny tenany manokana, ny manohitra ireo foto-kevitry ny fanabeazana Kristianina izay ampiorenana io sekoly io.TF 262.1

    Isan’andro isan’andro, isika dia mandrafitra ny firaketana an-tsoratra ny momba antsika manokana, ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Aoka ho marina sy ho mahitsy ny hetsika tsirairay, na eo amin’ny fivarotana na eo amin’ny fividianana. Aoka tsy hisy zavatra manana endrika fanararaotana mihoapampana hoentina eo amin’izany, satria hahakivy ny rahalahintsika isika ary tsy mahazo sitraka avy amin’Andriamanitra. Nisy fahafoizana goavana nataon’ny olona tao amin’ireo fiangonantsika mba hahazoana io tany io ho an’ny sekolintsika. Aoka ireo izay mitady tombontsoa ho an’ny tenany manokana tsy haka tombony tsy ara- drariny avy amin’ireo rahalahiny, izay mety mila mipetraka eo akaikin’io sekoly io. Tokony tsy havela ho tonga any ireo izay manana ny toe-tsain’ny fiantoham-barotra hakana tombony mihoapampana, satria tsy ho fitahiana ho an’ilay sekoly izy ireo, fa ho vato misakana.TF 262.2

    Aoka hotsaroantsika fa mandalo eo anatrehan’ Andriamanitra avokoa ny momba antsika rehetra, ka raiketina ao amin’ny bokin’ny lanitra ho fanamelohana anareo ny hetsika tsy ara-drariny rehetra izay atao mba hanompoana ny izaho. Miangavy ny anadahintsika rehetra aho mba hahafoy ny fimatimatesana amim-bola. Mivavaka aho mba tsy hisy olona hitady hipetraka manodidina io sekoly io mba haka tombony ho an’ny tenany manokana. Andao isika rehetra hiezaka ny hanao ny tsara indrindra eo amin’ny zava-panahy, mba hiova ho toe-tsain’ny tsy fitiavan-tena ilay toe-tsaina feno firehetam-po tsy masina. Tsy maintsy tanterahina ao anatintsika io fiovana io raha tiantsika ny ho hankasitrahan’Andriamanitra tanteraka. — L 72, 1909.TF 263.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents