Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahazotoana Miasa sy Mitsitsy ao amin’ny Fianakaviana

    Naseho ahy fa manan-javatra betsaka tokony hianarana ianareo ranadahiko sy rahavaviko. Tsy miaina araka izay anananareo ianareo sady tsy mba nianatra nitsitsy mihitsy. Raha mandray karama betsaka ianareo dia tsy mahafantatra izay mba tokony hitantanana izany amin’ny tsara indrindra akory. Ny rendrarendra sy ny fitiavan-komana no omenareo vahana kokoa noho ny fahamalinana. Matetika ianareo no mandany vola amin’ny sakafo lafo vidy izay tsy mba takatry ny rahalahinareo akory. Tena miala mora foana avy ao anaty poketranareo ny vola.TF 270.1

    Fahadisoana ho anao ny tsy fahaizanao mampiasa ny herinao amin’ny fomba tsara indrindra hahafahanao mandray tombotsoa, toy ny ataon’ny lehilahy mpanan- karena iray izay tsy manao afa-tsy ny mamihina samirery sy mihazona mafy ny fananany satria izany ihany no mba mahafinaritra azy. Tsy nanao ny ezaka izay tokony nataonao ho fanohanana ny ankohonanao ianao. Izay asa atolotra eny an-tananao sy mifanaraka amin’ny sainao fotsiny ihany no mba ataonao sy tanterahinao; fa tsy mba miezaka hirotsaka misimisy kokoa ho amin’ny asa, ao anaty fahatsapana fa tena andraikitrao mihitsy ny hampiasa ny fotoanao sy ny herinao mba handraisana tombony tsara kokoa araka izay tratra ao anatin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.TF 270.2

    Manao raharaha ara-barotra izay hahazoanao tombony betsaka ao anatin’ny indray mandeha monja ianao kanefa rehefa nahavory harena dia tsy mba nianatra nitsitsy mihitsy mba hitsinjovana ny fotoana izay tsy hahafahana mamory harena amin’ny fomba moramora intsony, fa dia nandany betsaka tamin’ny filàna manidintsidina fotsiny. Moa ve tsapanao sy ny vadinao tsara fa andraikitra nanendren’Andriamanitra anareo ny hanohitra ny fironana tia andrankandrana ao aminareo sy ny fanirianareo, ary hanao tahiry hiatrehana ny hoavy, fa tsy hivelona ho amin’ny androany fotsiny; efa tokony hanana ny hoenti-manana rehetra ianareo ary ny fianakavianareo dia efa tokony hiaina ao anatin’ny fahatsaran’ny fiainana. Manana lesona hianarana izay tsy tokony ho tsinontsinoavina ianareo. Ary izany dia ny mba hahafahana mandeha lavitra indrindra araka izay azo atao amin’ny alalan’izay kely eo am-pelatanana.TF 271.1

    Nanao fahagagana i Jesôsy, ka namoky olona tsy omby dimy arivo; tamin’izany no niresahany lesona manan-danja indrindra momba ny fahaiza-mitsitsy: “Angony ny sisa tsy lany, mba tsy bo very.” - Jao. 6:12. Tena andraikitra, eny andraikitra manan-danja, no mipetraka aminao. “Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza.” - Rôm. 13:8. Raha, sanatria, misy kilema nahazo anao na tsy afaka manohy miasa ianao, dia ny rahalahinao no tokony hanana fahatsapan-tena hanampy anao. Fa rehefa miova kosa ny toe-java-misy, dia ny fanohanana entina manomboka sy hahafahana miarina indray no zavatra tena ilainao indrindra avy amin’ireo rahalahinao. Raha toa ka manana firehetam-po lalina ianao, ka mifanaiky ianao sy ny vadinao fa hivelona amin’izay eo am-pelatananareo dia, tokony hatao amin-kalalahana tsy misy teritery izany. Tsy maintsy miasa ianao na dia karama kely aza no raisinao toy izay niasanao tamin’ny nandraisanao karama be. Ny fiasana mafy narahin’ny fitsitsiana toy izay efa natao tamin’ny lasa no hanampy sy hametraka anareo mianakavy amin'ny toerana metimety kokoa.TF 271.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents