Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Voninahitra Ambony Indrindra, ny Fifaliana Lehibe Indrindra

    Andriamanitra no loharanon’ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana eto amin’izao tontolo rehetra izao. Tahaka ny tara-pahazavana avy amin’ny masoandro no ikorianan’ny fitahiana avy Aminy ho amin’ny voary rehetra noforoniny. Tao anatin’ny fitiavany tsy manam-petra no nanomezany ny olombelona ny tombontsoa ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Izy kosa, amin’izay, dia hanaparitaka izany fitahiana izany amin’ireo mpiara-belona aminy. Izany no voninahitra ambony indrindra sy fifaliana lehibe indrindra azon’Andriamanitra omena ny olombelona. Noho izany, dia ireo izay manakaiky indrindra ny Mpamorona azy no lasa mpandray anjara amin’ny asam-pitiavana. Izay mandà tsy ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” — dia ny olona izay manao tsinontsinona ny zavatra ilain’ny mpiara- belona aminy noho ny fampanaranam-po feno fitiavan- tena, ny kahihitra izay mamory ny hareny eto an-tany, - dia manakana tsy ho aminy ireo fitahiana manan-karena azon’Andriamanitra omena azy. - RH, 6 Des. 1887.TF 23.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents