Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mihamalemy ny Finoana, Mahazo Laka ny Fahakiviana

    Ranadahy malala,

    Mampalahelo ahy ny mahita anao amin’izao toerana misy anao eo ambany vesatry ny trosa izao. Mahalala olona maro toa anao aho izay mitebiteby sy feno fahoriana noho ny olana ara-bola mahazo azy ireo.TF 276.2

    Tsy mahafaly an’Andriamanitra velively ny mahita ny fahorianao. Tiany ny hanome anao ny fampiononana feno avy amin’ny Fanahiny Masina, mba hahatonga anao ho olona afaka mitoetra eo amin’ny fahazavany sy ny fitiavany. Manana lesona hampianarina anao Izy, ary tiany handroso faingana ianao eo am-pianarana izany. Tsy tokony hoekenao na oviana na oviana ny hahatonga anao hanana olana ara-bola; satria mampalemy ny finoanao ny fitoeranao eo ambany vesatry ny trosa ka mitarika anao ho kivy; ary na dia ny fieritreretana izany monja aza dia mety efa hampikorontan-tsaina anao. Mila mampihena ny fandaniana ataonao ianao, ka hikatsaka hameno ny fahabangana eo amin’ny toetranao. Azonao atao ary tokony hataonao mihitsy ny ezaka feno fahatapahan- kevitra mba hifehy ny fironana ao anatinao tsy handany mihoatra noho izay vola miditra aminao.TF 276.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents