Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Torohevitra ho an’ny Mpampiely Boky

    Nitaraina mafy noho ny amin’ny ziogan’ny trosa ianao tamin’ny taratasy nosoratanao, saingy tsy misy fialan-tsiny azonao atao mihitsy ny amin’ny antony nahatonga izany trosa izany.TF 278.4

    Ny fahafahanao mindram-bola, nefa tsy misy antoka hahafahanao milaza fa ianao dia tena afaka hanefa izany tokoa, dia tena fanaovana ny tsy rariny lehibe amin’ny hafa tokoa, satria fandrobana izay mba kely eo am-pelatanan’izy ireo izany, ary miteraka ozona ho an’ny asan’Andriamanitra. Raha mba tsapanao mantsy hoe inona no zavatra ataonao amin’izany fotoana izany dia natsahatrao tanteraka. Tokony ho hitanareo ny maha-fahotana ny fandrobana ny olona, na mpino izy na tsia, mba tsy hitarihanareo azy ireo amin’ny toerana tsy hahazoana aina hanentsemana ny filànareo manokana.TF 279.1

    Ranadahy -----, tsy hoe zavatra bitika akory ny momba anao. Satria ny lalana arahinao sy ny fomba fanaonao dia nametraka hery ratsy miasa mangina izay tena sarotra aminao tokoa ny hikosoka azy. Nakatonao ny varavarana hahafahan’ny hafa mirotsaka amin’ny asa fampielezam-boky sy hanaovan’izy ireo izany amim-pahatokiana tanteraka. Iza tokoa moa no maniry ny hojerena toy ny olona mampiahiahy. Noho ny hadisoana nataon’ny mpampiely boky sasantsasany dia lasa ireo izay mendrika ny hoheverina sy hotohanana amin’ny fomba manokana indray no tsy omena fitokiana intsony. Ary noho ny fanandramana efa hita nataon’ny olona sasantsasany, izay niafara tamin’ny fahaverezana vola an-jatony “livres sterling” avy ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra, dia nahoana izy ireo no tsy hatahotra hametraka ny fitokiana amin’ny olona izay efa nitantana sy nanodinkodim-bola avy ao an- tranon’Andriamanitra toy izany, izay nampihena tanteraka ny vola tena ilaina fatratra hanohanana ny asan’Andriamanitra amin’izao fotoana izao?TF 279.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents