Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahafahana noho ny Fandavan-Tena

    Aoka ho feno fahatapahan-kevitra mba tsy hiditra amin’ny trosa vaovao intsony. Aleo maneho fandavan-tena amin-javatra an’arivony mba tsy hidirana amin’ny trosa. Ny fileferana amin’ny trosa no tena ozona lehibe eo amin’ny fiainanao. Andosiro toy ny fandositra pesta izany.TF 280.1

    Manaova fanekena manetriketrika amin’Andriamanitra mba hahafahanao mandoa ny trosanao amin’ny alalan’ny fitahiany mba tsy hananan’olona aminao intsony na iza na iza, na dia tsy hihinanao afa-tsy serealy sy mofo aza. Mora mihitsy mantsy ny handanianao dimy amby roapolo “cents” avy ao anaty poketranao amin’ny zavatra tsy dia ilaina rehefa mikarakara sakafo. Aoka hotehirizina tsara ny vola madinika, dia hitahiry ny tenany tsara koa ny dôlara. Ny sombiny etsy sy eroa lanilanina foana amin’iza tsy sy izaroa no mitambatra ka mahafeno dôlara maromaro. Aoka ianao hanana fandavan- tena raha mbola tataovan-trosa (...) Aza misalasala, ary aza kivy, na mihemotra. Tohero ny fitiavana tsiron-kanina; lavo ny fironana manome vahana ny fitiavan-komana; tehirizo ny volanao ary aloavy ny trosanao. Ataovy izay hahafahana tanteraka amin’izany amin’ny fomba haingana araka izay azo atao. Amin’ny fotoana izay hahafahanao mijoro ho olom-baovao indray, ka tsy ananan’olona vola intsony, dia amin’izay ianao vao afaka mandray ny fandresena lehibe.TF 280.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents