Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahafa-Boninahitra an’Andriamanitra ny Fiangonana Mitrosa

    Tena manala baraka an’Andriamanitra ny fahitana ny fiangonantsika vesaran’ny trosa. Tsy tokony hitranga akory izany toe-javatra izany. Mampiharihary ny fomba fitantanana diso nanomboka tamin’ny voalohany hatramin’ny farany izany, ary manaisotra ny voninahitr’Ilay Andriamanitry ny lanitra. Vakio sy ianaro amim-bavaka ny toko fahefatra amin’ny boky nosoratan’ny mpaminany Zakaria. Rehefa izany dia vakio koa ny Hagay toko voalohany, ary jereo raha mahakasika anao io lohahevitra velabelariny eo io. Noho ny fifantohantsika tafahoatra amin’izay momba ny tenantsika sy ny tombontsoan’ny tenantsika manokana, dia toa natao an-tsirambina ny fanorenana sy ny fanamboarana ny fiangonana, ka vola nindramina no mba ampiasaina hanorenana ny fiangonana fa tsy mba nisy fahalalahan- tanana natao hanafahana ny fiangonana amin’ny trosa. Moa tena fantatrao marina ve ny andraikitra tokony horaisinao? Nifandimby ihany ny taona, saingy indrisy fa zara raha nisy ny fahafoizan-tena natao handoavana ny trosa. Nefa ny zana- bola dia vao maika mandritra ny vola tokony nampiasaina nandoavana manontolo ny renivola notrosaina.TF 284.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents