Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ao amin’ny Trano Fanontam-Pirinty

    Ny trano fanontam-pirinty dia nijoro vokatry ny fandavan- tena, ka tokony hotarihina amin’ny fitsipika hentitra momba ny foto-kevitry ny fitantanana ny ara-bola. Azo fehezina tsara ny ara-bola rehefa manery mafy ny filàna, ka amin’izay ireo mpiasa dia tokony ho vonona hanaiky ny fampihenana ny karamany. Izany no fitsipika nasehon’ny Tompo ahy hampiharina eo amin’ny sehatrasa misy antsika. Rehefa tsy ampy ny vola, dia tsy maintsy ahena ny fitakiantsika.TF 291.3

    Aoka mba tena ho kajy mifanaraka tsara amin’ny tokony ho izy no hampiharina ao amin’ny trano pirintintsika, ary aoka ny olona rehetra miasa ao hianatra hitsitsy amin’ny fomba rehetra, na dia mety hiteraka olana tsy azo hamaivanina eo amin’ny tsirairay aza ny fiantraikan’izany. Aoka hojerena tsara ireo fandaniana madinidinika. Ajanony avokoa ny famoahana sy fivoahana tsy voafehy rehetra. Ireo fatiantoka madinidinika no ho lasa mavesa-danja rehefa apetraka eo ambony fandanjana amin’ny farany. Aoka hangonina avokoa hatramin’ny sombintsombiny rehetra mba tsy hisy ho very na dia kely akory aza. Aoka tsy ho lanilanina foana amin’ny resadresaka na dia ny iray minitra aza; satria ireo minitra verivery foana no manapotika ny ora. Ny fahazotoana ombam-paharetana eo am-piasana amin’ny finoana, no hosatrohana fahombiazana.TF 292.1

    Misy olona mieritreritra fa fanosihosena ny fahamendrehany ny fiheverana ny zavatra madinidinika. Heverin’izy ireo fa noho ny fahateren-tsaina sy ny fahihirana no antony anaovana izany Kanefa ny lavaka kely tsy voahevitra no mety handrendrika ny sambo. Tsy tokony hekena ny fandanilaniam-poana ho fanomezana fahafaham-po ny tombontsoa manokan’ny olona na iza izy na iza. Ny tsy fanaovana tahiry dia azo antoka fa hitarika ny orinasantsika amin’ny fisamboram-bola. Betsaka ny vola azo angonina, nefa izy ireny dia lanilany foana amin’ny karazan- javatra madinidinika amin’ny asa. Tsy midika ho fahihirana tsy akory ny fitsitsiana.TF 292.2

    Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra miasa ao amin’ny trano fanontam-pirintintsika dia tokony ho mpiambina mahatoky, hijery tsara mba tsy hisy ny fandanilaniam-poana. Tokony ho sarotiny ny rehetra amin’ireo filàna miteraka fandaniam- bola tsy toko tsy forohana. Misy olona izay tena afaka miaina tsara amin’ny Efajato dôlara isan-taona noho ny olona hafa izay manana Valonjato dôlara. Toy izany koa ny ao amin’ireo sehatrasa misy antsika; misy olona izay afaka mitantana tsara izany amin’ny renivola kely kokoa noho ny hafa. Takin’Andriamanitra ny hahatonga ny mpiasa rehetra hampihatra ny fahaiza-mitsitsy sy mitahiry, ary ho tonga mpitantam-bola mahatoky. - 7T 206, 207.TF 293.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents