Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mpiombona Antoka amin’ny Fampandrosoana ny Mpiasa

    Aoka ny tsirairay mba samy hikatsaka amin-kerimpo sy amin’ny asa ny hitahiry fa tsy handany. Lazao amin’ireo izay manana fironana handany vola tsy ahazoana tombony hoe: “Andraikitro ny hahay hitantana sy hitahiry amin’ny lafiny rehetra. Tsy afaka hampiriska ny fandanilaniam-poana mihitsy aho. Tsy azoko ekena ny hanolotra ny vola eto am- pelatanako hividianana zavatra izay tsy dia ilaina akory.”TF 294.1

    Tsy maintsy mianatra mitsitsy sy mitahiry ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, manomboka amin’izay manana toerana ambony indrindra ka hatramin’izay heverina ho ambany indrindra. Aoka ny tsirairay samy hilaza amin’ny tenany hoe: “Tsy maintsy mampihena ny fironana handanilany foana amin’ny tsisy dikany eo amin’ny fiainako aho.” Aoka ireo izay mirotsaka miasa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra mba ho mpamokatra araka izay azo atao fa tsy ho mpandanilany foana. Banjino ny halehibeazan’ny asa, ary aoka hofehezina ny fironana tsy Kristianina handany vola amin’ny fanomezana fahafaham-po ny tena manokana. Aoka hofantarina tsara ny saran’ny zavatra tianao hovidina.TF 294.2

    Tena tombontsoa manokana ho an’ny tsirairay ny mijoro eo amin’ny andraikitra sy ny toerana nametrahana azy. Aoka ny tsirairay samy hiezaka hamokatra zavatra. Ireo izay eo amin’ny asan’Andriamanitra dia tokony hanana faniriana lalina hanampy na aiza na aiza ilàna fanampiana. Tokony hampihena araka izay azo atao ny fandaniany vola izy; satria hitombo mandrakariva ny filàna hampiasa ny dôlara tsirairay hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.TF 294.3

    Ny fampiasana mpitsabo mpanampy na ao anatiny na any ivelany dia zavatra mila fiheverana fatratra mihitsy Tokony ho malina sy hitandrina fatratra ny mpitantan’asantsika. Tsy tokony handray mpitsabo mpanampy betsaka loatra izy ireo raha tsy hoe angaha noho ny filàna manokana mitera- bokatsoa. Matetika mantsy no ahitana fahadisoana io lafin- javatra io.TF 295.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents