Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mifehy Tsara ny ara-Bolan’ny Sekoly

    Tokony hanara-maso amim-pitandremana fatratra ny ara- bolan’ny sekoly iandraiketany ny talen’ny sekoly. Tokony ho voafehiny tsara ireo fitsipika mifehy ny fikirakirana bokim- bola. Tokony ho mahatoky koa izy amin’ny fanaovana tatitra ny tsipirian’ny vola nandalo teo am-pelatanany nampiasaina ho an’ny sekoly. Marina fa tsy dia tokony ho vola be manao ahoana no ampiasaina ao amin’ny sekolintsika kanefa ny ezaka rehetra dia tsy maintsy atao hampiakarana ny tombambidin’ny sekoly. Ireo izay nantsoina hitantana ny ara-bolan’ireo ivontoerana fanabeazan’ny fiangonantsika ireo dia tsy maintsy manaisotra ny tsy firaihana eo amin’ny fandaniana ara-bola. Tokony hahitsy avokoa ny zavatra rehetra mahakasikasika ny lafiny ara-bola eo amin’ny sekolintsika. Tsy maintsy arahina tanteraka ny làlana soritan’Andriamanitra, na dia mety tsy hifanaraka amin’ny làlana soritan’ny olombelona aza izany.TF 298.2

    Raha toa ka alaim-panahy hampiasa ny volan’ny sekoly amin’ny zavatra tsy hahazoany tombony akory ianao, dia tokony hodinihina indray mandeha indray ny fitsipi- pitantanana napetrakao, mba tsy hahatongavan’ny fotoana izay tsy maintsy hanadihadiana ny momba anao ka hahitana fahadisoana eo. Iza no mpikirakira ny bokim-bolanao? Iza no mpitahiry volanao? Iza no mpitantana ara-bolanao? Moa ve tena mitandrina sy mahafehy ny asany izy ireo? Aoka hojerena tsara izany. Mety hisy mantsy izany hoe tsy voatantana araka ny tena tokony ho izy ny vola kanefa dia tsy misy na dia iray akory aza mahatsikaritra ny zava-misy sy izay antony nahatonga izany; ary mety hiseho eo amin’ny sekoly koa ny fatiantoka mitohy noho ny fandaniana tsy misy fahendrena akory. Ireo tompon’andraikitra dia mety hahatsapa izany fatiantoka izany mihitsy na dia mbola mihevitra aza izy ireo fa izay tsara indrindra azony natao mihitsy no nataony. Fa ahoana no hamelan’izy ireo ny trosa tsy hitsaha-mitombo? Aoka ireo tompon’andraikitry ny sekoly hijery tsara isam-bolana ny tena toe-bola marina iainan’ny sekoly. - MS 65,1906.TF 299.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents