Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 53 - Manao An-tsirambina Ny Fikajiana Ny Fandaniana

    Misy olona izay tsy dia manam-pahendrena loatra. Mitana ny sain’izy ireo misimisy kokoa ny fisehosehoana. Mieritreritra izy ireo fa hanome lanja azy ny fisehosehoana ivelany. Tsy mba mipetraka ary mikajy izay tokony ho lany aloha izy ireo rehefa miasa, mba hahitany raha toa ka azony atao tsara ny hamita hatramin’ny farany izay efa natombony na tsia. Amin’izany no mampiharihary ny fahalemeny. Asehon’izy ireo fa betsaka ny zavatra tokony ianarany mba hahafahany miasa amim-pitandremana sy amim-pahalianana fatratra. Fahadisoana betsaka no vitan’izy ireo noho ny fahatokian-tenany. Vokatr’izany dia manao fahadisoana izay tsy ho azo harenina intsony izy ireo.TF 301.1

    Toy izany no niseho tamin’ny maro izay nihevitra fa manana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manorina sy mitantana toeram-pitsaboana. Tsy fahombiazana no mahazo azy, ka rehefa latsaka ao anaty trosa izy ireo dia mangataka ny “Vondron’ny Mpitsabo Misiônera” mba handray an- tanana ny ivontoeram-pitsaboana ka hibaby ny trosa rehetra (...) Vesatra ho an’ny “Vondron’ny Mpitsabo Misiônera” anefa ny hiantsoroka ivontoeram-pitsaboana maro izay samy latsaka an-katerena. Aoka ireo izay nitantana izany ivontoeram-pitsaboana izany ka nizotra tamin’ny làlan-diso, mba hiverina hisaina indray. Aoka tsy hijanona eo amin’ny tsy fahombiazana izy ireo satria manimba ny herim-pon’ny olona tsara izany.TF 301.2

    Misy olona izay mety ho nanao zavatra tsara raha toa ka nanokana ny tenany tamin’Andriamanitra, raha vonona ny hiasa amin’ny fomba feno fanetren-tena, raha nanitatra ny raharahany moramora kokoa, ary nandà tsy hiditra amin’ny trosa, kanefa dia tsy nahomby mihitsy satria tsy nanao araka izay tokony ho izy. Ary rehefa latsaka tao anatin’ny fahasarotana dia namidiny avokoa ny zavatra rehetra noho ny tsy fahaizany mitantana. Maniry hiala amin’ny fahaterena ara-bola izy ireo, ka tsy hisaina akory izay mety ho vokatr’izany.TF 302.1

    Izay manampy izany olona izany mba ho tafavoaka amin’ny fahasarotana dia vao maika alaim-panahy hamatotra azy ireo amin’ny tady mahazakan’ny endri-panomezan-toky hafa indray izay hahatsapan’izy ireo any aoriana any fa tonga toy ny andevo indray izy ireo. Mahalana izy ireo vao afaka amin’ny fiheverana azy ho mpitantana mahonena sy tsy mahomby.TF 302.2

    Ho an’ireo izay lasa zatra mitrosa no nanolorana ahy izao teny lazaiko manaraka izao: Aza mihemotra mihitsy rehefa fantatrareo fa nandeha tamin’ny lalana araka ny tokony ho izy ianareo. Miasà amin’ny herinareo manontolo mba hanarenanareo indray ny toe-java-misy. Aza atsipy amin’ny fikambanana izay efa vesaran-trosa izany orinasa efa mitsipozipozy izany. Tsara kokoa ho an’ny toeram- pitsaboana rehetra ny mijoro amin’ny fanatanterahana ny andraikitra tandrify azy.TF 302.3

    Tokony haneho fitandremana fatratra ireo izay miandraikitra ny toeram-pitsaboantsika. Misy fotoana mba ahitana fitomboana ihany na dia kely monja aza. Koa aoka izy ireo hiasa amim-pahendrena sy amim-pahamalinana ary amin’ny fahaiza-miaina miaraka amin’ny manodidina. Aoka izy ireo hianatra sy hampihatra ny toromarika nomen’i Kristy mahakasika ny fanorenana tilikambo. Ny fieritreretana lalina mialoha ny hanombohana no manan-danja kokoa noho ny fieritreretana aorian’ny fanatanterahana. Rehefa hita miharihary eo amin’ny tsy fahombiazana ny vokatry ny fanaovana an-tsirambina ny fahaiza-mikajy feno fahendrena sy ny fahaiza-mitantana amim-pahamalinana dia tokony hoesorina amin’ny asa ireo mpitantana sy tompon’andraikitra tamin’izany tsy fahombiazana izany, izay tsy mahay ny fomba tokony hitantanana. Aoka hotadiavina ny fanompoana ataon’ireo izay mahay mifehy ireo zavatra anankiroa ireo mba tsy hampikatso ny asa.TF 302.4

    Aoka mba hanetry ny tenany eo anoloan’Andriamanitra ireo izay mifampiraharaha amin’ny sehatr’asantsika. Aoka izy ireo hangataka amin’Andriamanitra hanampy azy hanao drafitra feno fahendrena sy tsara tantana mba hahatonga ny asa hiorim-paka tsara sy hitondra voa ho voninahitr’Andriamanitra. Aza miantehitra amin’olombelona. Banjino i Jesôsy. Manàna fiainam-bavaka mitohy tsy an-kijanona, ary miambena amin’ny fivavahana arahin’ny fisaorana sy fankasitrahana. Aoka ho azonao antoka fa manana fifandraisana ety dia ety amin’i Kristy ianao. - L 199, 1901.TF 303.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents