Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Miantomboka Aloha Loatra Tsy Nandraisana Torohevitra Ampy

    Talenta manokana mihitsy no takina hahafahana manomboka fanorenana toeram-pitsaboana sy manao izay hampandeha tsara izany, na dia orin’asa tsy miankina aza. Tokony hangataka torohevitra sy tsilontsaina aloha ireo anadahintsika mialoha ny hanombohana izany asa izany. Tokony hatomboka ny fanorenana ao; kanefa aoka hatao araka ny tena tokony ho izy izany. Ho sarotra tokoa mantsy ny handresy ny fiantraikan’ ny tsy fahombiazana amin’ny fahamarinana, indrindra raha toa ka nirona any amin’ny tsy fahombiazana ny asa natomboka, noho ny olona iray izay niantsoroka samirery ny andraikitra.TF 305.2

    Na iza na iza manana fijery hanorina toeram-pitsaboana dia tokony hila torohevitra avy amin’ireo rahalahiny izay mitana andraikitra na lavitra na akaiky. Tsy tokony hataontsika mihitsy ny hahitana taratra eo amin’ny asam- pitsaboana ataontsika any amin’ny toeran-kafa ho toy ny hoe tsy Andriamanitra no Mpitarika sy Mpiaro antsika.TF 306.1

    Ho an’ny anadahintsika rehetra na aiza na aiza no nampilazana ahy hoe avelao ny asa izay efa natomboka any amin’ny toerana tena ilàna hananganana izany no hoheverina tsara mialoha ny hananganana tetikasa iray hafa. Raha tsy izany dia tsy maintsy hivesatra trosa goavana indray ny vahoakantsika. - L 5, 1905.TF 306.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents