Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 55 - Torohevitra Avy Amin’ilay Mpanolotsaina Avy Any An-Danitra

    Fotoana vitsy lasa izay nandritra ny fahitana tamin’ny alina no nahitako ny tenako tao anaty fivoriana iray. Tao amin’io fivorianana io no nilazana teny izay hita ho avy amin’olombelona kokoa fa tsy avy amin’Andriamanitra. Ny asa fitsaboana any ----- no nodinihina tamin’izany. Drafitra maromaro no naroso hodinihina, izay raha tsy novaina dia hamotika tanteraka ny asa ary tsy hampahomby tanteraka ny toe-javatra. Ny foibe maneran-tany dia nangatahina mba hanokana sora-bola roa alina dôlara fara fahakeliny na hirotsaka ho mpiantoka izany vola izany mba hahafahana manorina foibem-pitsaboana any -----. Koa satria tsy nanaiky ny hampitondra izany vesatra izany ho an’ny foibem-pitantanana maneran-tany ny anadahy dia betsaka no nitsikera mafy dia mafy azy. Kanefa teo anoloan’io toe-javatra io dia nahatsapa izy fa Andriamanitra mihitsy no nanakana azy tsy hampitondra enta-mavesatra ny foibe maneran-tany. Ankasitrahako manokana izany hevitry ny anadahy ----- izany.TF 312.1

    Andeha hiverenana ny mahakasika ilay fivoriana: nanatrika teo indray Ilay Iray izay nijoro ho Mpanolotsaina mba hizara aminay ny Tenin’Andriamanitra. Ary izao no nolazainy: “Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fametrahana zioga eo amin’ny foibem-pitantanana amin’ny fampidirana azy amin’ny trosa. Tamin’ny fomba manokana no nanomezany fahefana ny vahoakany hanaisotra ny ziogan’ny fitrosana izay efa nanavesatra azy ireo hatramin’ny ela. Tsy tokony hiverina handeha amin’ny lalana tsy izy izay efa nodiavin’izy ireo teo aloha ny foibem-pitantanana.”TF 312.2

    Ny sasany dia mbola tsy nahatakatra ny lesona nampianarin’i Kristy mahakasika ny fanorenana tilikambo. “Fa iza moa aminareo,” Hoy izy, “raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany anaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.” - Lio. 14:2830. Tsy nomena lanja akory anefa izany fampitandremana izany.TF 313.1

    Rehefa maimaika hanao fanorenana ivontoerana vaovao ireo olona eo amin’ny fitantanana andraikitra, dia tsy hoe manohitra ny tombontsoan’ny asan’Andriamanitra fotsiny amin’ny alalan’izany tetikasa izany, fa manohitra ny tombontson’ny olombelona izay miezaka mandroso haingana loatra amin’ny fahendren’olombelona koa. Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ireo olona izay miezaka mandeha haingana kokoa noho ny fitarihany. Fahaverezan-kevitra, Fanelingelenana ary fahoriana no vokatr’izany. Tsy tian'Andriamanitra ny hamerenan’ireo mpanara-dia Azy izany fahadisoana izany; tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izany fomba fanao voarakitra tamin’ny lasa izany. - MS 144, 1902.TF 313.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents