Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fandavan-Tena sy Hazo Fijaliana

    Raha mba notsentsemana avokoa ireo fantsom-pitiavan- tena an’arivony izay hita ankehitriny, ka tarihina amin’ny fantsona tena izy ny harena rehetra, dia betsaka ny vola hiditra ho ao an-trano firaketan’Andriamanitra. Betsaka ireo izay mividy sampy amin’ny vola izay tokony haterina ho ao an-tranon’Andriamanitra. Tsy misy afaka hivelona amin’ny tena fanoloran-tena marina raha tsy efa niaina tamin’ny tena fandavan-tena tsy misy fitaka. Ny fandava-tena sy ny hazo fijaliana dia mirazotra eo amin’ny lalan’ny Kristianina tsirairay izay tena manara-dia an’i Kristy. Hoy Jesôsy: “Raha misy ta hanaraka ahy aoka izy handà ny tenany ary handray ny hazo fijaliany ka hanaraka ahy.” Moa ve ny fanahy tsirairay hahatakatra ny toe-java-misy marina fa ny maha-mpianatra Kristianina dia mitaky fandavan-tena, fahafoizan-tena, eny fa na dia hanolorana hatramin’ny aina aza raha ilaina noho ny tombon-tsoan’Ilay efa nanolotra ny ainy mba hananan’izao tontolo izao fiainana?TF 318.2

    Ireo Kristianina izay mibanjina an’i Kristy eo ambonin’ny hazo fijaliana dia fatoran’ny fanekena nataony tamin’Andriamanitra noho ny fanomezana tsy manam-petra natolony dia ny Zanany Lahitokana, ka tsy hihazona na inona na inona amin’izay ananany na dia mety ho sarobidy aminy indrindra aza izany. Raha vantany vao manana zavatra azony ampiasaina hitaomana fanahy izy ireo, na mahantra izy na manana, dia tsy maintsy hampiasa izany amin-kalalahana ho an’ny asany noho ny amin’Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Andriamanitra mantsy dia mampiasa olombelona ho mpiara-miasa Aminy eo amin’ny famonjena ny mpanota.TF 319.1

    Mirotsaka am-pahavitrihana amin’ny fanamorana ny fanitarana ho an’ny olona rehetra, sy ny firenena rehetra ary ny samy hafa fiteny ny fahalalana ny fahamarinana ny lanitra manontolo. Raha tsy mamela ny fahazavany hamirapiratra ho hitan’ny hafa ireo izay milaza ny tenany ho efa niova fo marina, dia tena manao an-tsirambina ny fampiharana ny Tenin’i Kristy.TF 319.2

    Tsy dia ilaintsika loatra ny hamerina hahatsiaro mandrakariva ny hoe ohatrinona no efa nafointsika ho an’ny asan’ny Tompo, fa aleo kosa isika mihevitra ny hoe ohatrinona ny vola efa noesorintsika avy tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra ka natokantsika tamin’ny filan’ny tenantsika manokana amin’ny fikatsaham-pahafinaretana sy ny fanandratan-tena. Tsy dia ilaintsika akory ny hihevitra ny hoe firy ny mpiasa efa nalefa ho amin’ny fanompoana, mihoatra noho ny fanisana ny hoe firy no efa nanakimpy ny masony tsy nahatsapa ny andraikiny sy ny fanompoana tokony nataony ho an’ny hafa, araka ny fahamaroan’ny fahafaha-manaony.TF 319.3

    Firifiry moa ankehitriny no mety ho azo ampiasaina raha mba ampy hanohanana azy ireo hanao ny asa ny tahiry tao an-trano firaketan’ Andriamanitra! Firfiry ny ezaka ho fanamorana tokony hatao amin’ny fanitarana ny asan’Andriamanitra araka ny fitantanany manokana eo amin’ny fanokafany ny làlana! Olona an-jatony no tokony hampiasaina eo amin’ny saha hanao izay tsara amin’ny sehatra samihafa, nefa indrisy fa tsy eo izy ireo. Fa nahoana? - Ny fitiavan-tena no mihazona azy ireo ao an- trano; Tiany kokoa ny fiadanana, ka dia aleony mitoetra lavitry ny tanim-boaloboky ny Tompo. Betsaka no tokony handeha any amin’ny firenena lavitra kokoa kanefa indrisy fa tsy ananan’izy ireo ny hoenti-manana handraisana azy; Ny sasany indray dia mamela amin’izao fotsiny, tsy misy vita ny zavatra tokony hovitaina. Izany dia isan’ireo antony mahatonga ny mpiasa vitsy an’isa hibaby samirery ny enta- mavesatra nefa ny sasany dia tsy misy holanjaina akory. - RH, 14 Jol. 1896.TF 320.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents