Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahafatesan’ny Toe-Panahy Araka an’Andriamanitra Rehetra

    I Kristy no ohatra ho antsika. Natolony ho sorona ho antsika ny ainy, ka mangataka Izy ny hanolorantsika ny aintsika ho sorona ho an’ny hafa. Amin’izay dia afaka handroaka ny fitiavan-tena izay ezahin’i Satana tsy an-kiato volena ao am-pontsika isika. Miteraka fahafatesan’ny toe- panahy araka an’Andriamanitra rehetra io fitiavan-tena io, ary amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika irery ihany no hahafahana mandresy izany. Tsy hamela olona iray tia tena hiditra ny kianjan’ny lanitra i Kristy. Tsy misy olona mpierina afaka mandingana ireo vavahady vita amin’ny perila; satria fanompoan-tsampy ny fieremana rehetra.- RH, 11 Jol. 1899.TF 27.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents