Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 57 - Teny Atsipy Ho An’ny Tanora

    Betsaka no azo ambara amin’ny tanora mahakasika ny tombontsoa ananan’izy ireo hanohanana ny asan’Andriamanitra amin’ny fianarana ny leson’ny fahaiza- mitahiry sy ny fandavan-tena. Betsaka no mieritreritra fa azon’izy ireo atao ny mampanaram-po ny tenany amin’ny karazam-pahafinaretana toy izao na toy izatsy, mamboly fahazarana hivelona amin’ny fari-piainana mandany ny karamany manontolo. Tian’Andriamanitra ny hanaovantsika fandanjalanjana tsara manoloana izany. Manota amin’ny tenantsika isika rehefa manaram-po amin’ny sakafo sy ny fisotroana ary ny fitafiana. Mbola manana zavatra ambonimbony kokoa noho izany Andriamanitra eo anoloantsika. Rehefa manam-pikasana hanaisotra ny faniriana feno fitiavan-tena ao anatintsika isika, ka manolotra ny herin’ny fo sy ny saina ho amin’ny asan’Andriamanitra, dia hiara-miasa amintsika ny tafiky ny lanitra mba hahatonga antsika ho fitahiana ho an’ny taranak’olombelona.TF 323.1

    Ny tanora mazoto miasa sy mahay mitantana dia afaka manokana ampaham-bola ho an’ny asan’Andriamanitra, na dia mety ho mahantra aza izy. Raha vao roa ambin’ny folo taona monja aho, dia efa nahafantatra hoe ahoana ny fomba hanaovana tahiry. Nianatra nitady vola niaraka tamin’ny rahavaviko aho, ary na dia tsy nahazo afa-tsy dimy amby roapolo “cents” isan’andro aza izahay, dia afaka nampirina ampahany tamin’io vola io ho an’ny asan’Andriamanitra. Nampirina tsikelikely izahay mandra-pahavoahangonay telopolo dôlara. Ary rehefa renay ny hafatry ny fiverenan’ny Tompo tsy ho ela intsony, narahin’ny fiantsoana olona sy fanohanana ara-bola, dia tsapanay fa tena tombontsoa tokoa ny nanolotra ilay telopolo dôlara ho an’ny rainay, nangataka taminy mba hampiasa izany amin’ny fanontana trakta sy takelaka voasoratra mba hampitana ny hafatra amin’ireo izay mbola ao anaty haizina.TF 323.2

    Andraikitry ny tsirairay izay mikasika ny asan’Andriamanitra ny hianatra hitahiry sy hitantana ny fampiasana ny fotoana sy ny vola. Ireo izay manome vahana ny fipetrapetraham-poana dia maneho fa tsy dia manana tombam-bidy aminy loatra ny fahamarinana be voninahitra izay nankinina tamintsika. Ilain’izy ireo ny hampianarina hanana fahazarana mikarama sy miasa amin’ny fomba fijery tokana hanome voninahitra an’Andriamanitra.TF 324.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents