Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandà Tena sy Mampivelatra ny Talenta

    Ireo izay tsy maneho fahaiza-mandanjalanja amin’ny fampiasana ny volany sy ny fotoany, dia tokony hangataka torohevitra amin’ireo izay manana fanandramana ny amin’izany. Ny vola izay azonay tamin’ny asa izay nataonay mirahavavy no nahafahanay nividy fitafiana. Natolotray ny reninay izany sady nilaza izahay hoe “Aleo izay akanjo tena ilaina ihany no vidina, amin’izay mba misy ambiny atokana ho amin’ny asa Misiônera.” Ary dia araka izany tokoa no nataony, ka izany no nampiriska ny toe-tsaina Misiônera tao aminay.TF 324.2

    Ny fanomezana vokatry ny fandavan-tena dia fanampiana tena tsara tokoa ho an’ny mpanolotra izany. Manolotra fanabeazana antsika mba hahatakatra misimisy kokoa ny asan’Ilay tonga tety mba hanasoa antsika izany, dia Ilay nanasitrana ny marary sy nanolotra izay nilain’ny mahantra. Tsy nivelona hanao izay mampifalifaly ny fony fotsiny ny Mpamonjy. Tsy nahitana fitiavan-tena teo amin’ny fiainany - YI, 10 Sept. 1907.TF 324.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents