Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Aoka Hokajina Tsara ny Vola Miditra sy Mivoaka

    Tokony hatao izay fomba azo hampiharana tsara amin’ny asa ny fianarana ireo resaka tarehimarika. Tokony hampianarina hikajy tsara ny vola miditra sy mivoaka aminy ny tanora sy ny ankizy tsirairay avy fa tsy hampianarina hamaha lazaolana fotsiny. Aoka hampianarina azy tsara ny fomba fampiasana ny vola araka ny tokony ho izy eo amin’ny fikirakirana azy. Tokony hampianarina hahay mifantina sy mividy ny akanjony, sy ny bokiny ary izay rehetra ilainy ny ankizilahy sy ny ankizivavy na dia mbola eo ambany fiantohan’ny ray aman-dreniny izy ireo na efa mianto-tena; ka eo am-panaovana ny kajy araka ny tokony ho izy amin’ny fandaniana ataony no hianarany, satria tsy afaka mianatra amin’ny fomba hafa ny lanjan’ny vola sy ny fomba fampiasana azy izy ireo.TF 326.1

    Izany fanazarana izany no hanampy azy ireo hahay hanavaka tsara ny tena fahaiza-mitantana eo andaniny ary ny fandanilaniam-poana etsy ankilany. Hampiriska ny fomba fanao sy ny fanaovana asa an-tsitrapo izany rehefa voatarika tsara araka ny tokony ho izy. Hanampy ny tanora eo amin’ny fianarana manome koa izany, ka tsy miankina amin’ny fientanam-po mandalo vokatry ny fihetseham-pony fotsiny izany fa ho lasa fomba fanao tsy miova sy manaraka rafitra tsara. — ED, 238, 239.TF 326.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents