Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manaraka ny Soso-Kevitr’i Satana

    Manao ahoana loatra ny fomba fiasan’ny fahavalo mametraka ny zavatra mandalo sy mielina eo ambonin’ny zavatra ara-panahy! Betsaka loatra ny fianakaviana izay tsy manokana afa-tsy ampahany kely monja ho amin’ny asan’Andriamanitra, nefa dia tsy mitsahatra mandany vola amin-kalalahana hividianana fanaka lafo vidy sy akanjo manara-damaody. Ohatrinona re no lany tamin’ny fividianana latabatra, sy ny fanaranam-po amin’ny fitiavan-komana; ohatrinona no lany tamin’ny fividianana fanomezana izay tsy nahasoa na iza na iza akory!TF 327.1

    Betsaka no mandany vola tsy toko tsy forohana amin’ny sary hozarazaraina amin’ireo namany fotsiny. Lasa fomba fanao mieli-patrana ny fakàna sary, izay manome vahana endrika fanompoan-tsampy fotsiny. Ho fifaliana manao ahoana re no tsapan’Andriamanitra raha mba nampiasaina tamin’ny fanontana boky hitarika fanahy ho eo amin’i Kristy sy ho amin’ny fahamarinana amin’izao ankehitriny izao avokoa ireny vola rehetra ireny! Ny vola izay lanilany foana amin’ny zava-tsisy dikany dia azo nanohanana asa fitoriana ny fahamarinana maro izay hampitombo ny hanitry ny fiainana ho amin’ny fiainana.TF 327.2

    Miseho amin’ny endrika maro samihafa ny soso- kevitra entin’i Satana. Ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahantsika sy ny krismasy ary ny fety dia mirona any amin’ny fanaranam-po ny fitiavan-tena, matetika, raha tokony hitarihana ny saina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitiavany feno hatsaram-panahy. Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny tsy fanomezana toerana ao an-tsaina ny fahatsarany sy ny fiahiany mitohy ary ny fitiavany tsy mitsaha-mitombo mandritra ny fankalazana tsingerin-taona.TF 327.3

    Raha ireo vola rehetra nampiasaina tamin’ny fandanilaniam-poana tamin’ny zavatra tsy dia ilaina ireo, no napetraka tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra, dia mba nahita lehilahy sy vehivavy ary tanora marobe nanolo- tena ho an’i Jesôsy isika, sady nanatanteraka ny anjarany teo amin’ny fiaraha-miasa tamin’i Kristy sy ny anjely. Ny harem- pitahian’Andriamanitra dia tonga hirotsaka teo amin’ny fiangonantsika, ary fanahy marobe no ho resy lahatra amin’ny fahamarinana. - RH, 23 Des. 1890.TF 328.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents