Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fandrosoana ao Anatin’ny Fahantrana

    Tany am-piandohana dia olom-bitsy ihany no mba nandray an-tànana ny asan’ Andriamanitra, ka tena nilaintsika mihitsy ny naneho firaisan-tsaina mba hampandrosoana ny asa amim-pilaminana sy amim-pirindrana tanteraka. Rehefa hitantsika ny maha-zava-dehibe ny fanehoana ny firaisana eo amin’ny finoana, dia hovaliana ny vavaka asandratsika, ary ny vavaka nataon’i Kristy mba hahatonga antsika ho iray tahaka ny maha-iray Azy amin’ny Ray koa dia hovaliana. Mba niaina tsy fahampiana tahaka anareo koa izahay teto amin’ity fanjakana ity, [NOSORATANA TANY EOROPA.] ary matetika izahay no mahatsiaro noana, miaritra hatsiaka noho ny tsy fananana fitafiana mifanaraka amin’izany. Kanefa tsapanay fa tsy maintsy atao izay hampandroso ny fahamarinana, ary tsy maintsy ananana ny vola hahafahana mampandeha izany asa izany. Dia nikatsaka ny Tompo tamim-pahamatorana fatratra izahay mba hanokafany làlana hahafahany manatratra ny olona amin’ny tanàna sy ny vohitra maro samihafa, ka voatery nampiasa mafy ny tànanay mba hananana vola handehanana amin’ny toerana samihafa izaho sy ny vadiko, mba hanokafana ny harem-pinoana ho an’ny hafa. Hitanay miharihary fa Andriamanitry ny lanitra dia nanomana làlana teo anoloanay teo am-panatanterahana izao asa izao.TF 339.1

    Niasa tamin’ireny fanefena vato ireny ny vadiko mandra-pivaofy ny hoditry ny rantsan-tanany, ka nitete avy amin’ireo fery ny ra, mba hahafahany mahazo ny vola ilaina hitetezana ireo toerana hanambarana amin’ny olona ny Tenin’Andriamanitra. Toy izany no nampandehanana ny asan’Andriamanitra tany am-piandohana, ary ankehitriny ny fangatahantsika dia mbola tokony hisandratra ho eo amin’ny seza fiandnanan’Andriamanitry ny lanitra, mba hanokafany ny lalana ka hahitan’ny fahamarinana làlana mankao amin’ny fo. An’Andriamanitra ny volamena sy ny volafotsy. Azy avokoa ireo biby fiompy eny an-tendrombohitra arivoarivo; saingy ianao no ilainy handroso amim-pinoana ary handeha lavitra sy haingana kokoa araka izay tratranao. Ny fitahian’Andriamanitra dia mitoetra eo amin’ireo izay manolotra ny tsara indrindra amin’ny fahaiza-manaony.TF 340.1

    Rehefa nosokafana tamin’ireo mponina teny amin’ny lohasahan’i Piedmont ny Soratra Masina, dia ireo olona izay tena nahantra tsy mba nanana ny haren’izao tontolo izao no nitory ny fahamarinana. Tsy nanana fahafahana hanambara amin’ny olona ireo izay nahalala ny fahamarinana ara-Baiboly; tsy azon’izy ireo natao ny nitondra ny Baiboly ho an’ny tokantrano; dia nitety tokantrano toy ireny mpivarotra ireny izy ireo ary nitondra takelaka avy amin’ny Baiboly niaraka taminy, ary rehefa hitany fa mety ny hanaovana izany, dia mamaky teny avy ao amin’ny Soratra Masina izy ireo; tamin’ny alalan’izany fomba izany no nahazoan’ireo izay mangetaheta ny fahamarinana ny fahazavana. Dia an-tongotra tsy nisy kiraro sy feno ratra no nitetezan’ireo lehilahy ireo ny haram- bato teny an-tendrombohitra mba hanatrarana fanahy, sy hanokafana eo anoloan’izy ireo ny Teny fiainana. Faniriako koa raha mba izany Fanahy nanetsika azy ireo izany no ho ao am-pon’ny tsirairay manaiky ny fahamarinana amin’izao vanim-potoana ivelomantsika ankehitriny izao.TF 340.2

    Ny tsirairay avy amintsika dia afaka manao zavatra, raha toa ka irintsika ny handray ny toerana tian’Andriamanitra hametrahana antsika. Ny hetsika tsirairay ataonao hanazavana ny hafa, dia hitarika anao ho akaiky sy hanam-pirindrana amin’Ilay Andriamanitry ny lanitra. Raha mipetraka sy mandinika ny tenanao ianao ka milaza hoe, “Ny fianakaviako ihany no mba azoko tohanana,” dia midika izany fa tsy mbola nanao na inona na inona ianao; fa raha milaza kosa ianao hoe: “Hanao zavatra noho ny fahamarinana aho, hojereko ny fandrosony, ary hotanterahiko izay azo atao,” Dia hanokatra làlana hahafahanao manao zavatra Andriamanitra. Tokony hiary harena ho an’ny fahamarinana ianao ary hahatsapa fa tena mpiara-miombona antoka ao anatin’izany tokoa.TF 341.1

    Tsy nitaky tombony talenta folo tamin’izay tsy nomeny afa-tsy iray akory Andriamanitra. Tadidio fa ilay lehilahy izay nomeny talenta iray no namono izany tao anaty lamba ary nandevina azy tao anaty tany. Tokony hampiasainao ny talenta, ny hery miasa mangina, ary ny harena izay nomen’Andriamanitra mba hahafahanao mandray anjara amin’izany asa izany. - RH, 8 Jol. 1890.TF 341.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents