Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Andraikitry ny Fôôiangonana

    Ny fiangonana dia tompon’ andraikitra amin’ ny voady ataon’ ny mambra tsirairay ao aminy Raha hitany fa misy anadahy izay manao an-tsirambina ny fanefana ny voadiny, dia tokony hifampiresaka aminy amim-pahatsaram- panahy nefa tsy miolakolaka izy. Raha toa ka latsaka ao anaty fahasarotana izy ka tena tsy manana fahafahana hanatanteraka ny voadiny, nefa mambra mahatoky sy mahitsy fo, dia aoka ny fiangonana hanampy azy. Izany no hahafahan’izy ireo mandresy ny fahasarotana, ka handray fitahiana ho an’ny tenany manokana.TF 343.1

    Irin’Andriamanitra ny mambran’ny fiangonany raha hihevitra ny zavatra nifanekena ho tsy maintsy hatao Aminy mihoatra noho ny fifamatorana misy eo aminy sy ny mpampindram-bola azy ireo amin’ny raharaha arabarotra ataony. Aoka ny tsirairay samy handinika ny fiainany tamin’ny lasa ka hijery sao mbola misy trosa tsy voaloa na voady tsy mbola tanteraka ao, ka ny voady tsy nefaina fa natao tsinontsinona dia hanaovana ezaka manokana mba haloa hatramin’ny “variraiventy”; satria isika rehetra dia tsy maintsy hiseho manoloana ny fitsarana izay tsy misy zavatra takina hahafahana afa-tsy ny fahitsiana sy ny fahamarinana ihany. - 4T 473-476.TF 343.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents