Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antony Mahatonga ny Fahasarotana

    Misy sasany aminareo efa lavo tamin’ny voady nataony. Nandritra ny fivorian’ny ----- dia niditra an-tsehatra namely ireo vavaka nasandratry ny mpivory ny Fanahin’ny Tompo, ary raha iny mbola voakasiky ny hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy Masina iny ny fonareo, dia nanao voady ianareo. Raha mbola iny niboiboika tao am-ponareo iny ny loharanom-pamonjena, dia nahatsapa ianareo fa tsy maintsy manaraka ny ohatra napetrak’Ilay tonga mba hanao ny tsara, ka nanolotra tamim-pitiavana ny tenany ho fanatitra noho ny fahotana sy ny fahalavoana. Teo ambanin’ny hery miasa mangina avy any an-danitra no nahatsapanareo fa tsy mifanaraka amin’ny toetra Kristianina ny fitiavan-tena sy ny fitiavana ny rehaka momba izao fiainana izao, ary tsy ho azonareo atao ny hivelona ho an’ny tenanareo no sady hanahaka an’i Kristy. Fa raha vantany tsy mahatsapa ny hery miasa mangina avy amin’Ilay fitiavana sy fahasoavana tsy manam-petra intsony kosa ny fonareo, dia hotsoahinareo sahady ny fanekena nataonareo hanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, ary Andriamanitra koa vokatr’izany dia mba hanaisotra ny fitahiany tsy ho aminareo.TF 344.1

    Indraindray dia tonga amin’ny sasany aminareo ny toe-java-tsarotra. Tsy namokatra araka ny tokony ho izy ny fambolena nataony, ka tsy afaka nanefa ny voadiny izy ireo; ary ny sasany aza miatrika toe-javatra mafimafy kokoa noho izany. Araka izany, dia mazava fa tsy afaka hanatanteraka ny fanefany ny voadiny izy ireo. Saingy raha mba tsy nimonomonona sy tsy nanaisotra tao am-pony ny voady nataony izy ireo, dia niasa ho azy ireo Andriamanitra, ka nanokatra làlana hahafahan’ny tsirairay manefa ny voady sy ny fampanantenana nataony. Tsy niandry tamim- pinoana, sady tsy nitoky tamin’Andriamanitra izy ireo, mba hanokafan’Andriamanitra làlana hahafahany manefa ny voadiny.TF 344.2

    Ny sasany indray dia tena mikirakira vola; fa raha mba notazoniny tsy hiova toy ny tamin’ny fotoana nanaovany voady ny sitra-po tsara nananany, ary raha mba natolony tamin’ny fony manontolo ho an’Andriamanitra ny ampahafolony sy ny fanatitra mifanaraka amin’izay natolony hotantanan’izy ireo ho amin’izany zavatra izany, dia mba mety ho voatahy tamin’ny fomba mitafotafo koa izy ireo. Saingy tonga niaraka tamin’ny fakam-panahy i Satana, ka mitarika ny sasany mba hisalasala ny amin’ny toe-tsaina sy ny antony nitarika ny mpanompon’Andriamanitra hanao antso ho amin’ny fanohanana. Toa mahatsapa ho nofitahina sy nohampangaina izy ireo. Notsoahiny moramora tao an-tsainy ny voady nataony, ary na inona na inona ataony vokatr’izany dia tsy tena amim-pahatsorana, ka lasa tsy mandray fitahiana mihitsy. - 5T 281, 282.TF 345.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents