Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 60 - Ny Fahotan'i Ananlasy

    Ny Fanahy Masina no nanetsika ny fon’i Ananiasy sy ny vadiny mba hanolotra ny fananany ho an’Andriamanitra toy izay nataon’ireo rahalahiny koa. Kanefa taorian’ny nanatanterahan’izy ireo izany voady izany, dia niverin-dàlana izy ireo, ary nanapa-kevitra ny tsy hanatanteraka izany. Na dia nanao fanekena hanolotra azy manontolo aza, dia nohazonin’izy ireo ny ampahany amin’ny vidin’ny tany. nanatanteraka hosoka teo imason’Andriamanitra izy ireo, ary nandainga tamin’ny Fanahy Masina, koa dia novaliana tamin’ny fitsarana haingana sy mampihoron-koditra ny fahotan’izy ireo. Tsy ny fiainana ankehitriny ihany no nafoin’izy ireo fa ny fiainana mandrakizay koa.TF 346.1

    Hitan’Andriamanitra fa izany fanehoana fampitan- dremana momba ny fahamarinany izany dia tena ilaina ampahafantarina mba hiarovana ny hafa tsy ho latsaka amin’ny heloka mitovy amin’izany. Porofo velona izany fa tsy azon’ny olombelona atao na oviana na oviana ny hamitaka an’Andriamanitra, satria hitany avokoa ny fahotana miafina ao am-po rehetra, ary tsy azo hamazivazina Azy mihitsy izany. Natao hampitandremana ilay fiangonana mbola teo amin’ny fahatanorany izany, mba hitarika azy ireo handinika ny hery manosika azy, hitandrina amin’ny fanomezana vahana ny fitiavan-tena sy ny zavatra mihelina, mba hitandrina amin’ny fandrobana an’Andriamanitra.TF 346.2

    Hita ary nomelohina haingana ny fahotana tamin’ny lainga nataon’i Ananiasy tamin’Andriamanitra. Izany ohatry ny fitsaran’Andriamanitra izany dia notendrena mba ho famantarana ho an’ny taranaka rehetra amin’ny hoavy. Matetika no niverimberina teo amin’ny tantaran’ny fiangonana izany fahotana izany, ary mbola ataon’ny maro mandraka ankehitriny; kanefa na dia tsy hita miharihary aza ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra izany, dia tsy mbola nihen- danja teo imasony noho ny tamin’ny andron’ny apôstôly tsy akory ny faharatsian’izany. Efa nomena ny fampitandremana, ary nasehon’Andriamanitra miharihary ny fankahalany io fahotana io, ka ireo izay manohy manatanteraka ota toy izany dia azo antoka fa tena hanapotika ny fanahiny.TF 346.3

    Tsy ho resy mihitsy ny fitiavan-tena, ary tsy hiseho eo amin’ny fiainana mihitsy ny sain’i Kristy raha tsy amin’ny fotoana izay hanekena amin’ny fahafenoany ny fitsipi-piainana Kristianina sy ifohazan’ny feon’ny fieritreretana hanao ny andraikitra rehefa voakasiky ny fahazavan’Andriamanitra ny fo sy ny toetra. Ny Fanahy Masina izay miasa ao am-po sy ao amin’ny sain’ny olombelona no hanaisotra ny fironana ho amin’ny karazam-pieremana rehetra sy ny hafetsifetsena.TF 347.1

    Indraindray dia miditra an-tsehatra amin’ny fomba manokana mihitsy Andriamanitra manoloana ny olona da tena sy mifantoka amin’ny zavatry ny tany. Nohazavain’ny Fanahy Masina ny sainy ary nohalefahiny ny fony mba hilefitra amin’ny hery miasa mangina avy Aminy. Eo ambany fifehezan’ny fahasoavana sy fitiavan’Andriamanitra no hahatsapan’izy ireo fa ny andraikiny dia ny hanohana ny asan’Andriamanitra, sy hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra (...) Tsapany ny faniriana hanana anjara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary dia mivoady izy ireo fa hanolotra ny fananany ho fanohanana ireo tetikasa maro samihafa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tamin’olombelona no nanaovany izany voady izany fa tamin’Andriamanitra sy teo imason’ny anjeliny, izay nanaisotra ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola tao ampony.TF 347.2

    Nahatsiaro fitahiana goavana izy ireo teo am-panaovana voady; saingy miova haingana ny toe-tsaina rehefa miverina eo amin’ny fiainana andavan’andro. Rehefa manomboka mihamalefaka ny fiantraikan’ny asan’ny Fanahy noho ny fifantohan’ny saina sy ny fo amin’ny rehaka momba izao fiainana izao, dia vao maika mihasarotra hatrany ny hihazonan’izy ireo ny fanolorany tenany sy ny fananany ho an’Andriamanitra. Ary izao fakam-panahy izao no entin’i Satana manafika azy: “Fa adala angaha ianao no handoa io vola io, vola tokony mba hampiasaina amin’ny asa aman- draharahanao io, ho hitanao fa fatiantoka no hianjera aminao raha manefa io voady io ianao.”TF 348.1

    Manomboka eo dia mivadika izy ireo, mimonomonona, mikomy ary mitsikera ny hafatry ny Tompo sy izay irahiny hitondra ny hafany. Milaza zavatra tsy misy mitombina izy ireo, manambara fa vokatry ny fientanam-po fotsiny ny voady izay nataony fa tsy azony tamin’ny fahafenoany akory, lazain’izy ireo fa diso nohizingizinina sy novoizina loatra ilay resaka ka nanohina ny fihetsem-pony, dia izay ihany no antony nahatonga azy ireo nanao ilay voady. Toy ny milaza izy ireo amin’izany fa ny fitahiana sarobidy noraisiny tamin’Andriamanitra dia vokatry ny famitahana nataon’ny mpitoriteny azy ireo mba hahazoam-bola fotsiny. Novainy tanteraka ny fisainany, ary mihevitra izy ireo ankehitriny fa tsy voatery hanefa ny voadiny amin’Andriamanitra intsony. Tena fandrobana mampivarahontsana atao amin’Andriamanitra mihitsy anefa izany, ka indrisy fa fialan- tsiny maivamaivana no entina manohitra sy mandà ny Fanahy Masina. Ny sasany indray mampiditra olana amin’ny filazana fa tena mila vola mafy mihitsy izy ireo, hataony inona anefa izany? Hampiasaina amin’ny resaka tany sy trano, na koa fitadiavam-bola hafa. Koa satria ho amin’ny tanjona ara-panahy no nanaovan’izy ireo voady dia heveriny fa tsy misy lalàna afaka manery azy hanefa izany, ny fitiavam- bola no lasa manjaka fatratra ao aminy ka manjary mamitaka ny fanahiny ihany izy ireo ary mandroba amin-kalalahana an’Andriamanitra. Izao no teny tokony hambara amin’ny ankamaroan’ny olona: “Aoka tsy hanao ratsy na amin’iza na amin’iza ianao.”TF 348.2

    Miha-mitombo isa hatrany ireo izay manohy ny fahotan’i Ananiasy sy Safira. Tsy manota amin’olombelona izy ireo fa amin’Andriamanitra amin’ny tsy firaharahana ny voady izay nitarihany Fanahy Masina hataony Satria tsy tanteraka eo no ho eo toy izay nanjo an’i Ananiasy sy Safira ny voka-dratsy aterak’izany fanao tsy mendrika izany dia vao maika miha-mirona amin’ny fanaovan-dratsy ny fon’ny taranak’olombelona, mba hanohitra ny asan’ny fanahin’Andriamanitra. Fomba ahoana no hahatafajoro ireo olona ireo manoloana ny fitsarana? Hanana fahasahiana hanolotra ny valin-teny farany amin’izany fanontaniana izany ve ianao? Ahona no hiatrehany ilay tranga aseho ao amin’ny Apôkalipsy manao hoe: “Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany; ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany.” — Apôk 20:11,12. - RH, 23 May 1893.TF 349.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents