Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 61 - Fifanarahana Amin’ Andriamanitra

    Raha misy fifanarahana am-bava na an-tsoratra momba ny fanolorana tonom-bola natao teo anatrehan’ireo anadahintsika, dia izy ireo no vavolombelona hita mason’ny fifanarahana ifanaovantsika amin’Andriamanitra. Tsy natao ho an’ olombelona izany fifanarahana izany fa amin’Andriamanitra, ary tsy misy fahasamihafany amin’ny fifanarahana an-tsoratra atao amin’ny mpiara-monina. Tsy misy fifamatorana ara-dalàna sy sarobidy indrindra ho an’ny Kristianina eo amin’ny fandoavana vola mihoatra noho ny voady natao tamin’Andriamanitra.TF 350.1

    Ny olona izay manao fifanekena amin’ ny manodidina azy dia tsy mieritreritra ny hivadika amin’ izany fifanarahana nataony izany amin’ ny kapobeny. Ny voady natao tamin’ Andriamanitra, Ilay Mpanome ny fahasoavana rehetra anefa dia ambony lavitra noho izany; koa nahoana isika no ho sahy hivadika amin’ ny voady nifanaovantsika tamin’ Andriamanitra? Moa ve hieritreritra ny olona fa tsy dia mahavoafatotra azy loatra ny fampanantenany satria natao tamin’ Andriamanitra izany? Satria ve tsy nentina nanoloana ny fitsarana ny voady nataony dia tsy manan-kery loatra? Moa ve ny olona izay manaiky fa novonjena tamin’ny alalan’ilay rà tsy misy fetra noho ny fanoloran-tenan’i Kristy ho sahy “handroba an’Andriamanitra?” Moa ve tsy ny lanjan’ny voady sy ny asa nataony no hifandanja ao amin’ny fitsaran’ny lanitra?TF 350.2

    Ny tsirairay amintsika dia samy miatrika ny fitsaran’ny lanitra avokoa. Moa ve hitsangana hanameloka antsika ireo fitondran-tena nasehontsika? Ny zavatra nanjo an’i Ananaiasy sy Safira no fanehoana mahery vaika izany. Nandainga tamin’ny Fanahy Masina izy ireo tamin’ny fitazonana ny ampahany tamin’ny vidin’ny tany. Dia fanamelohana mitovy amin’izany koa no mihantona eo ambonin’ny izay manohy ny ota nataon’izy ireo.TF 351.1

    Rehefa voakasiky ny fanatrehan’ny Fanahin’Andriamanitra ny fon’ny olombelona, dia manjary mora milefitra misimisy kokoa amin’ny fiasan’ny Fanahy Masina izy ka ho voavolavola ho amin’ny fandavan-tena sy ny fanoloran- tena tanteraka hanao ny asan’Andriamanitra. Ary amin’ny fotoana hitsilovan’ny fahazavan’Andriamanitra ny saina, miaraka amin’ny famirapiratana sy hery dia ho resy ny fihetsem-po maha-olombelona ka tsy hanan-kery ao amin’ny fo intsony ny fitiavan-tena, ary hifoha ny faniriana hanahaka an’i Jesôsy Kristy, Ilay Môdely eo amin’ny fandavan-tena sy ny asa fanompoana an-tsitra-po. Ny fitiavan-tena izay toy ny efa toetra raiki-tampisaka taloha dia manjary niova ho lasa halemem-panahy sy fitserana ny mpanota, ary dia hanao fanekena miezinezina amin’Andriamanitra, toy izay nataon’i Abrahama sy Jakôba izy. Manatrika eo ny'anjelin’ny lanitra amin’ny fotoana toy izany. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana hamonjy fanahy no mandresy ny fitiavan-tena sy ny fitiavana izao tontolo izao. Izany mihitsy no mitranga rehefa manambara ny hafatra amin’ny herin’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra ny mpitoriteny ka mitory momba ny drafi-panavotana novelarina tamin’ny voninahitry ny lanitra tamin’ny fanoloran-tena teo amin’ny hazo fijaliana. Ity andininy manaraka ity no maneho amintsika ny fomba handraisan’ Andriamanitra ny voady:TF 351.2

    “Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: lzao no teny izay nandidian'i Jehovah: Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.” — Nom. 30:2, 3.TF 352.1

    “Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tànanao?” — Mpitt. 5:5.TF 352.2

    “Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra odorana aho; hefaiko aminao ny voadiko, izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.” — Sal. 66:13, 14.TF 352.3

    “Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; ka nony vita ny voady, vao mamototra.” — Ohab. 20:25.TF 352.4

    “Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao. Fa raha tsy mivoady hianao, dia tsy fahotana aminao izany. Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao.” - Deo. 23:22-24.TF 352.5

    “Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.” - Sal. 76:11.TF 352.6

    “Fa hianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. Hoy koa hianareo: Tsy mba hasasarana lahy! AryTF 352.7

    ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ny tànanareo va Aho? hoy Jehovah. Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.” — Mal. 1:12-14.TF 353.1

    “Raha mivoady amin’Andriamanitra hianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao. Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.” — Mpitt. 5:3,4. - 4T 470-472.TF 353.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents