Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fepetra Handraisana ny Teny Fikasan’Andriamanitra

    Misy fotoana manokana miseho mandritra ireny fihaonam-be ireny, rehefa alefa amin’ireo izay mihevitra ny tenany ho Kristianina ny antso ho amin’ny fanohanana ny asan’Andriamanitra, ka mahakasika ny fony dia maro no manao voady hanohana ny asan’Andriamanitra vokatr’izany. Kanefa indrisy fa betsaka tamin’ireo izay nanao voady no tsy nahatoky tamin’Andriamanitra akory. Nanao an-tsirambina izy ireo ary tsy nahatanteraka ny voady nifanekeny tamin’ny Mpahary azy. Kanefa raha tsy miraika amin’ny fampanantenana nataony tamin’Andriamanitra ny olombelona, dia afaka hanantena ve izy fa Andriamanitra dia hanatanteraka ny teny fikasany izay miankina amin’ny fepetra tsy mbola nohajainy akory? Tena mety indrindra araka izany ny hanarahana amim-pahatokiana ny fifanarahana atao amin’ny manodidina antsika sy izay atao amin’Andriamanitra. - RH, 17 Des. 1889.TF 353.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents