Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanoherana Avy amin’i Satana

    Avy amin’ireo fananana nomen’Andramanitra hotantanan’ny olombelona no hitakian’Andriamanitra ampahany, dia ny ampahafolony izany. Omeny fahalalahana ny rehetra hiteny na hanome mihoatra na tsia. Fa rehefa voakasiky ny hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy Masina ny fo, ka nivoady hanolotra tonom-bola, izay nanao izany voady izany dia tsy manana zo intsony amin’ny vola izay efa voatokana amin’ny voady natao. Ny fampanantenana hifanaovan’ny olombelona dia ahatsapany fa toy ny misy fatotra mihazona azy; ka moa ve tsy manoatra lavitra izany ny voady natao tamin’Andriamanitra? Moa ve latsa-danja kokoa ny fampanantenana natao teo anoloan’ny fitsaran’ny feon’ny fieritreretana noho izay fifanekena nifanaovan’ny samy olombelona?TF 354.1

    Hiala tsy ho raiki-tampisaka ao anaty intsony ny fahazaran’ny fitiavan-tena rehefa manenika ny fo amin’ny famirapiratana sy ny hery ny fahazavan’Andriamanitra, ary hisy ny fahafahana hanohana ny asan’Andriamanitra. Na izany aza dia tsy misy tokony hihevitra fa ho afaka hanatanteraka ny voady nataony tamin’Andriamanitra tsy misy fanakanana avy amin’ny Satana izy ireo. Tsy hahafaly azy na oviana na oviana ny fahitana ny fiorenan’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Ampidiriny ao an- tsaina fa mihoapampana loatra ny voady natao, ka hanjary hampandringa ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny famoriana harena ary tsy hahafahana manolotra izay mba fanirian’ny fianakaviana intsony. - AA 74, 75.TF 354.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents