Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 14 — Didim-Pitsarana Sy Lova

    Toko 62 - Fiomanana Ho Amin’ny Fahafatesana

    Misy ireo zokiolona eo amintsika izay efa manakaiky ny fikatonan’ny androm-pahasoavany. Nefa noho ny tsy fisian’ny olona manam-pahendrena mba hametraka ny fananana eo am-pelatanan’izy ireo eo amin’ny toerana azo antoka ho amin’ny asan’Andriamanitra, dia indrisy fa lasa eo am-pelatanan’ireo izay manompo an’i Satana izany fananany izany. Nampindramin’Andriamanitra azy ireo fotsiny mba haveriny Aminy ireo harena ireo; saingy sivy amin’ny tranga folo, dia hitafa rehefa miroso amin’io dingana io ireo ranadahy ireo, dia apetrak’izy ireo eo amin’ny toerana tsy hahafahana manome voninahitra Azy akory ny fananan’Andriamanitra, ka na dia dôlara iray monja avy amin’izany aza dia tsy mirotsaka ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra akory. Amin’ny kapobeny ireny ranadahy izay heverina ho tsara ireny no manana mpanolo-tsaina tsy manolo-tena ho an’Andriamanitra, ka dia manoro hevitra azy ireo araka ny fomba fijeriny fotsiny fa tsy araka ny fihevitr’Andriamanitra.TF 356.1

    Matetika no tonga loharanom-pahavoazana ho an’ny zanaka sy ny zafikely ny lova napetraka ho azy ireo. Tsy mba manana fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahamarinana akory izy ireo, ary noho izany io harena io, izay fananan’Andriamanitra manontolo, dia tonga eo amin’ny laharan’i Satana, mba hofeheziny tanteraka. Malina sy mahira-tsaina ary fetsy kokoa i Satana eo amin’ny famolavolana hevitra mba hitahirizana harena ho azy, raha ampitahaina amin’ireo anadahintsika eo amin’ny fitahirizana ny haren’Andriamanitra natokana ho an’ny asany.TF 356.2

    Didim-pananana maro no natao tsy tamim-piheverana loatra ka tsy mamaly ny fitakian’ny lalana, ka dia dôlara an’arivony maro tokony hanohanana ny asan’Andriamanitra no very vokatr’izany. Tokony hahatsapa mandrakariva ireo anadahintsika ireo fa misy andraikitra mipetraka eo aminy, amin’ny maha-mpitantana mahatoky azy eo amin’ny asan’Andriamanitra, mba hampiasa ny fahaizany mahakasika izany resaka izany, ka hanolotra an’Andriamanitra izay efa Azy rahateo.TF 357.1

    Maro no mieritreritra fa saro-pady ny firesahana io toe- javatra io. Mihevitra izy ireo fa miditra eo amin’ny toerana tsy azo aleha rehefa mampiditra ny resaka momba ny fananana amin’ireo zokiolona sy ireo manana fahosana ara- batana mba hahafantarana ny fitsinjarana eritreretin’izy ireo hatao amin’izany fananany izany. Kanefa dia masina toy ny fitoriana teny mba hamonjena ireo fanahy very izany adidy izany. Eritrereto hoe indro misy lehilahy mihazona eo am-pelatanany ny vola na ny fananan’Andriamanitra. Eo an-dalam-panovana ny fitantanany ny fananana izy izao. Mety ve ny hametrahany eo am-pelatanan’ny olona ratsy fanahy, amin’ny maha-zanany azy fotsiny, ny harena nampindramin’Andriamanitra azy mba hampiasaina eo amin’ny asany? Moa ve ny Kristianina tsy tokony ho liana sy hitebiteby fatratra ny amin’ny hoavin’izany lehilahy izany sy ho amin’ny asan’Andriamanitra koa, mba hampiasany araka ny tokony ho izy ny volan’ny Tompony, sy ny talenta nampindramina azy hampitomboina amim- pahendrena? Moa ve hialangalana fotsiny ireo rahalahiny, ka hitazana fotsiny ny fialany amin’izao fiainana izao, sy ny fandrobany ny trano firaketan’Andriamanitra koa? Ho fahaverezana mampivarahontsana ho azy sy ho an’ny asan’Andriamanitra izany; satria amin’ny fametrahany ny vola ho eo am-pelatanan’ireo izay tsy manam-piheverana ny fahamarinan’Andriamanitra, dia tena mamono ny fahamarinana ao anaty mosoara sy mandevina izany ao ambanin’ny tany amin’ny nahim-pony mihitsy izy.TF 357.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents