Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fomba Tsara kokoa

    Tian’Andriamanitra ny hitantanan’ireo mpanara-dia Azy ny fananany raha mbola azon’izy ireo atao izany. Mety hanontany ny sasany hoe: “Moa ve tsy maintsy hafoinay dieny izao ankehitriny izao izay rehetra azonay antsoina hoe fanananay?” Angamba tsy asaina hanao izany isika ankehitriny; kanefa tsy maintsy mivonona hanatanteraka izany isika noho ny amin’i Kristy. Tsy maintsy ekentsika fa tena Azy manontolo ny fananantsika rehetra, amin’ny fampiasantsika amim-palalahan-tanana tanteraka izany isaky ny misy filàna ho amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra. Misy sasany izay manampina ny sofiny amin’ireo antso noho ny filana tohana ara-bola hahafahana mandefa misiônera any amin’ireo firenena any ivelany, sy hahafahana manonta ny fahamarinana ka manaparitaka azy manerana izao tontolo izao toy ny fihintsan’ny ravin-kazo amin’ny andro fararano.TF 358.1

    Misy olona sasany mihevitra ny hanala tsiny ny fitiavan- tenany sy ny fieremany amin’ny filazana aminao fa efa namolavola drafitra maty paika hanaovana asa soa izy rehefa maty. Milaza izy ireo fa efa nihevitra ny as an’ Andriamanitra ao anatin’ny didim-pananana ataony. Noho izany dia mivelona ao anatin’ny fahihirana izy ireo, ka mandroba an’Andriamanitra eo amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra, ary ao anatin’ny didim-pananana ataony dia ampahany kely monja amin’ny harena nampisamborin’Andriamanitra azy no mba averiny Aminy, raha natolony ho an’ny taranany izay tsy manana fahalianana amin’ny fahamarinana akory ny ampahany betsaka amin’izany Izany no karazana fandrobana ratsy indrindra. Mandroba tanteraka an’ Andriamanitra amin’izay tokony haverina Aminy izy ireo, tsy mandritra ny fahavelomany ihany, fa na dia amin’ny fahafatesany koa aza.TF 358.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents